Songadim-baovao

« LES AMIS DE MENABE » : Mpianatra miisa 154 nomena fanampiana

Fikambanana misehatra amin’ny fanampiana ara-tsosialy ny « Les amis de Menabe ». Tamin’ity taom-pianarana 2020 ity, nahatratra 154 ireo ankizy nisitraka fanampiana tany amin’ny sekoly telo, tany amin’ny distrikan’i Mandoto…

Vaindohan-draharaha ny fikambanana ny fanaovana asa soa.

Manampy amin’ny fanomezana kojakojam-pianarana ho an’ny mpianatra sy ny karama ho an’ny mpampianatra Fram. Tamin’ity taom-pianarana 2020 ity, miisa 154 ny ankizy nisitraka  fanampiana tany amin’ny sekoly miisa telo any amin’ny kaominina Anjoma Ramaritina, distrika Mandoto. Miisa 87 kosa tany Morondava, izay nampian’ny fikambanana « Les Amis de Menabe », tarihin-dRtoa Ravaoarisoa Merline Josée. Iantohan’izy ireo koa ny hetsika any an-tsekoly sy ara-panatanjahantena samihafa ho an’ny tanora. Hiitatra any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy izao fanampiana ataon’ny fikambanana « Les Amis de Menabe » izao, toy ny any Ambatonoro, distrikan’ Ampanihy, Faritra Androy, ohatra. Nilaza Rtoa Ravaoarisoa Merline, fa izay kely vitan’izy ireo no ezahina atao tsara, sy tena mipaka any amin’ireo omena fanampiana.

Manodidina ny 30% ny taham-pahombiazan’ny mpianatra amin’izao fotoana izao, ary efa nisy mianatra any amin’ny oniversite ny ankizy sasany, notohanan’ity fikambanana ity. Tiana ny manamarika fa  Fikambanana tsotra manao asa sosialy ny « Les Amis de Menabe », izay ny filoha mpitarika, dia Ravaoarisoa Merline Josée. Nambarany fa, tsy manao politika ny fikambanana, fa mahatsiaro ho manana adidy amin’ny tanindrazana izy ireo, ka tsy nijery fotsiny ireo ankizy mpianatra any amin’ny Faritra, tafiditra ao ny Faritra Vakinankaratra sy Menabe, indrindra, manamorona ny lalam-pirenena faha-34.

Fermer