PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
LEVON’NY AFO 25 TAONA LASA…: Tafatsangana indray ny Rovan’i Madagasikara
Ranomaso sy alahelo no nandraisan’ny Malagasy ny fahamaizan’ny Rova tamin’ny 06 Novambra 1995. Omaly, feno 25 taona katroka izany, saingy tsy endrika mitanondrika sy fo malahelo intsony no natao tao anaty Rova fa endrika faly sy feno fanantenana satria tafatsangana indray ilay efa lavenona teo aloha. Rovan’i Madagasikara no hiantsoana azy manomboka izao, hoy ny Filoha.
Lanonana fanolorana ara-pomba ofisialy ny asa fanarenana ny lapa manjakamiadana sy ny lapa besakana no natao tetsy Anatirova, omaly. Fotoana notarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina mivady, natrehin’ireo Sojabe, Ampanjaka, Taranak’andriana, avy amin’ny faritra maro, niaraka tamin’ny Ben’ny tanàna avy amin’ireo vohitra 12. 25 taona katroka tokoa mantsy izay no nahamay ny Rova. Lavenona sisa no tavela tamin’ny taona 1995. Vita ny Rova ankehitriny, ary fanantenana ho an’ny Malagasy izany, hoy ny Filoha.

Mitana ny teniny ny Filoha
Ireo fanarenana sy ny sary rehetra dia namboarina hitovy amin’ireo may fahiny, isan’izany ireo arofanina sy ny ireo singa ao anatin’ny Lapa. “Nanangana sy ny nanarina isika fa tsy nandrava, tsy naka na dia vato iray aza, tsy namindra na dia biriky iray aza, fa namerina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra”, hoy hatrany izy. Notsiahiviny fa adidin’ny Filohan’ny Repoblika no miaro sy mitandro ny fiandrianam-pirenena, na eto an-toerana na any ivelany. Miantoka ny fiainam-pirenena, ary ny fampivoarana sy ny fiarovana ny vakoka ara-kolontsaim-pirenena. Manamarina ny fitanana ny teny nomena ny fahavitan’ny asa, hoy ny Filoha. Ary ho rakitra tsy ho voafafa eo amin’ny tantara ny ezaka rehetra natao ankehitriny. Rehefa manana finoana sy miasa am-pitiavana dia tsy maintsy tanteraka ny fikasana, hoy hatrany izy. Omaly no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ho harem-bakom-pirenena ny Rova.
Fiandrianam-pirenena
Vita ny fanarenana ny Rova, taratry ny fiandrianam-pirenena izany. “Manomboka androany dia Rovan’I Madagasikara no hiantsoantsika ity Rova ity”, hoy Andry Rajoelina. Asa goavana no notanterahina tao Anatirova. Nitsotra ny Filoha fa nisy tokoa ireo nikasa hanolotanana ny Fitondram-panjakana tamin’ny asa fanarenana ny Rova saingy mba ho fanomezan-danja ny fiandrianam-pirenena, dia tsy noraisina izany. Herintaona mahery no namitana ny Rova, raha tokony ho ao anatin’ny telo taona. Na izany aza, notandrovana ny kalitao sy ny fenitra. Nisaotra manokana ireo niara-nisalahy tamin’ny fanamboarana ny Rova ny Filoha. Nosinganiny manokana tamin’izany ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Firenena very fanahy izay tsy mitahiry ny tantarany, hoy izy. Mbola maro ny ezaka atao. Fotoana izay nanambarany fa haverina an-tanindrazana koa ny kabeson’ny Mpanjaka Toera, mpanjakan’ny sakalavan’I Menabe, mbola any ivelany, toy izany koa ny an’I Printsy Ratsimamanga.
Hisokatra ho an’ny Malagasy mialohan’ny Krismasy
Hatao Mozea ny Rovan’I Madagasikara, hoy ny Filoha. Araka izany, hatao manaraka ny fenitra sy fivoaran’ny vanim-potoana, hampiasana teknolojia amin’ny fampiasana ny Hologramme sy ny Projection, izay hamelona indray ny tantaran’ireo mpanjaka nifandimby sy ny tantaram-pirenena. Mamerina ny lasa, manome lanja ny anio, ary mibanjina ny ho avy ity Rova ity. Misokatra ho an’ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka ity vakoka ity, mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy ho avy izao, araka ny fanazavana hatrany.
Voahaja tanteraka ny fenitra
Raha tsiahivina, ny 11Aprily 2019 no natomboka ny asa fanarenana. Fanamby no napetraka tamin’izany. 19 volana aty aoriana, vita ny asa. Nanambara ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana omaly fa tetibolan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina madiodio ny fanamboarana ny Lapan’I Manjakamiadana. Ny Lapan’I Besakana kosa, dia noraisin’ny ankohonan’ny Filoha ny fanamboarana azy. Ny Lapa Besakana izay tsy inona akory fa toerana nitsofan-drano ireo zanaky ny mpanjaka voatendry hanjaka. Tao koa ny toerana nametrahana ny mpanjaka niamboho nialohan’ny nanitrihana azy. Hahalalana an’I Madagasikara maneran-tany ny Rova. Nilaza ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana fa ampahamendrehana tanteraka ny asa fanarenana natao tao Anatirova, nanaraka ny fenitry ny tao-trano takian’ny maha vakom-pirenena azy. Manaraka ny fenitra ara-kolontsaina ihany koa, ary indrindra, manaraka ny fenitra ara-piarovana mba tsy ho mora simba ny zavatra efa vita, ary indrindra mba ho mendrika ny toerana maha manan-tantara sy manana ny lanjany azy. Lapa Manjakamiadana, Lapa Besakana, Fasan’ny Mpanjaka, ny valan’omby eo akaikin’i Mahitsielafanjaka, ny tamboho rehetra, ary ny vato rehetra izay nodiovina tanteraka, ireo no ampahany amin’ny asa natao. Fanavaozana natao ihany koa ny fanaovana fotodrafitrasa ho an’ireo olona manana fahasembanana maniry ny hitsidika ny Lapa. Eo koa ny fanamboarana toerana fiantsonan’ny fiara, ny toerana fividianana tapakila, ny fanamboarana ny zarindaina Manjakamiadana. Napetraka ny fenitra hiadiana amin’ny afo raha sanatria misy firehetana, toy ny fisian’ny fantson-drano goavana na ny “reservoire d’eau”, eo akaikin’ny toerana. Eo ihany koa ny fenitra amin’ny resaka vonjy aina. Napetraka koa ny fenitra amin’ny fiarovana ny toerana, hialana amin’ny fangalarana. Avy amin’ny lafivalon’ny Nosy Malagasy niasa teny amin’ny Rova. “Azoko ambara fa tsy nisy fiaraha-mientana goavan’ny mpitondra isan-tsokajiny tahaka ny hita ankehitriny, momba ny fanamboarana ny Anatirova”, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo.
Finiavana politika no nananan’ny Filoha, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina. Hita sy tsapa amin’ireo fotodrafitrasa maro hatsangana manerana ny Nosy izany. Ho an’ny Minisitera misahana ny Kolontsaina manokana, mbola betsaka ny tetikasa andalam-pamitana ankehitriny. Nitsotra ny minisitra fa napetraka ho laharam-pahamehana ny vakoka sy ny Kolontsaina tamin’izao Fitondram-panjakana izao.
Nanamafy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, omaly, fa hitoetra mandrakizay eto Madagasikara ny Satroboninahitry ny Tatarom-piandrianan’ny Mpanjaka Ranavalona, araka ny fifanarahana tamin’ny Fanjakana frantsay. Misy olona tokoa mantsy minia manely ankehitriny fa findramana fotsiny ihany no hataon’I Madagasikara, ao anatin’ny taona vitsivitsy fa hiverina any Frantsa ihany ity satroboninahitra ity, aorian’izay. Tsaho izay nodisoiny tanteraka.




