PolitikaSongadim-baovao
LFI 2022, PGE, MPIKAMBAN’NY CENI, FIAMPANGANA AO AMIN’NY HCJ,…: Feno ny fandaharam-potoan’ny Antenimiera roa tonta manomboka anio
Anio no talata fahatelo amin’ny volana Oktobra. Amin’ity anio ity, araka izany, no hisokatra ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona, araka izay voafaritry ny Lalàmpanorenana. Lahadinika maro no andrasan’ny mpanara-baovao hodinihina sy hotapahan’ireo Parlemantera malagasy. Tafiditra ao anatin’izany ny Tetibolam-panjakana 2022, ny adihevitra mahakasika ny fahatanterahan’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana, ny fifanatrehana eo amin’ireo Minisitra vaovao mpikamban’ny Governemanta sy ireo Parlemantera.
Araka ny andininy faha-75 ao amin’ny Lalàmpanorenana, mivory ara-potoana indroa isan-taona ny Antenimierampirenena, ny talata voalohan’ny volana mey no fivoriana ara-potoana voalohany, ary ny talata fahatelon’ny volana oktobra kosa ny fivoriana ara-potoana faharoa. Araka izany, hanomboka amin’ny fomba ofisialy amin’ity anio ity ny fivorian’ny Solombavambahoaka etsy amin’ny Lapan’I Tsimbazaza. Mifanindran-dalana amin’izany ihany koa ny fivorian’ny Antenimierandoholona, araka izay voafaritry ny Lalàmpanorenana ihany koa, ka anio tolakandro amin’ny 3ora kosa no voafaritra hanombohan’izany. Isan’ny hanamarika ity fivoriana ara-potoan’ny Antenimiera roa tonta ity ny fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an’ny taona 2022. Samy miandry izay hiompanan’ny tetibola, na ireo Depiote sy Loholona, na ihany koa Vahoaka. Irarian’ny maro kosa ny mbola hanamafisana bebe kokoa ny famoaham-bolam-panjakana any amin’ny lafiny sosialim-bahoaka, na eo aza ny fametrahana ireo fotodrafitrasa isan-karazany manerana ny Nosy. Isan’ireo nanisy resaka ny tokony hanamafisana io fiahiana ny sosialim-bahoaka io ny Solombavambahoakan’I Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan’I Miarinarivo, Fetra Rakotondrasoa.
Fihaonana voalohany eo amin’ireo Minisitra vaovao sy ny Parlemantera
Ankoatra izay, andrasan’ny rehetra ny fanaovan’ny Praiminisitra tatitry ny asa vita amin’ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny Fanjakana. Eo koa ny fifidianana indray izay ho solontenan’ny Antenimierandoholona sy ny an’ny Antenimieram-pirenena eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana na ny CENI. Ankoatra ireo, rehefa nahemotra tsy latsaky ny intelo noho ny tsy fahafenoina fetrisa teo amin’ireo Solombavambahoaka, andrasan’ny maro amin’ity fotoam-pivoriana manomboka anio ity ny fahatontosan’ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina momba ilay fiampangana olona ambony maromaro eo anoloan’ny Fitsarana Avo na HJC. Raha tsiahivina, dia antontan-taratasy miisa 12 no efa nodinihin’ny teo anivon’ny Vaomiera manokana misahana izany eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Dosie izay mahavoasaringotra olona nanana andraikitra ambony maro teto amin’ny Firenena.
Etsy ankilany, amin’ity fivoriana ara-potoana ity ihany koa no hisy ny fihaonana voalohany eo amin’ireo Minisitra mpikamban’ny Governemanta vaovao sy ireo Parlemantera. Isan’ny andrasan’ny rehetra noho izany ny adihevitra rehetra mety hisy eo amin’ireo Minisitra sy ireo Solombavambahoaka, indrindra indrindra. Fotoana iray rahateo ihany koa io, hahafahan’ireo Minisitra tsirairay manao tatitra ny asa vita rehetra eo anivon’ny Departemanta minisiterialy iadidiany avy.
Ivelan’ireo rehetra ireo ny fandaniana ireo volavolan-dalàna sy tolo-dalàna samihafa vao hofaritana ao anatin’ny lahadinika, afaka andro vitsy.




