SamihafaSongadim-baovaoSosialy
LISEA ANDRÉ RESAMPA ANTSIRABE: Nanolotra dabilio 30 isa sy boky ny Antoko Freedom
Isan’ireo mpianatra nandranto fianarana teo anivon’ny Lisea André Resampa Antsirabe (LARA) ny Filoha nasionalin’ny Antoko Freedom, Lalatiana Andriatongarivo. Amin’izao faha-60 taonan’ny LARA izao, noho izany, dia fantatra fa nanaiky ho Reny mpiahy ny fankalazana ny tenany. Antony nandalovany tao an-toerana ka nanolorany dabilio fianaran’ny mpianatra miisa 30 isa, sy boky miisa 300 ho an’ny mpianatra ao amin’ny kilasy faharoa sy voalohany ary famaranana. Araka ny fanazavana, mifanindra andalana amin’ny politikan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tantaniny, izay miompana amin’ny famerenana indray ny fitiavana mamaky boky amin’ny ankizy izao fanomezana izao. Rariny, araka izany, raha nanolotra ireo boky fianarana ireo ny tenany amin’ny maha reny mpiahy.
“Tsy azo sarahina amin’ny tantaram-piainana ity sekoly ity. Tafiditra ao anatin’ny fanomezana valibabena ho an’ny sekoly nanabe, nitaiza, nahazoana soa izao hetsika izao”, hoy ny nambarany. Teo anatrehan’izany, nampanantena ny Filoha nasionaly fa handray an tanana ireo mpianatra 10 mendrika indrindra mahazo ny naoty tsara amin’ny fanadinana bakalorea amin’ity taona ity. Nandritra ny tontolo andro omaly, nisy ny fizarana nataon-dRamatoa Lalatiana Andriatongarivo tamin’ny mpianatra momba ny traikefa efa nananany. “Mbola handia lalana lavitra izy ireo amin’ny fiainana, akaiky indrindra izao ny fiatrehana ny bakalorea, ka antony maha zava-dehibe ny fizarana traikefa”, hoy ny fanazavany. Namarana ny tontolo andro omaly kosa ny hetsika Tagnamaro izay nanavaozana ny “chalet” fisakafoan’ny ankizy eo anivon’ny lisea. Fotoana izay nitondran’ny Filoha Nasionaly teny fisaorana ny Proviseur sy ireo tomponandraikitra rehetra eo anivon’ny Sekoly, ary ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny, toy ny Governora, ny Prefektiora ary ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena ao Vakinankaratra.




