PolitikaSongadim-baovao
LISI-PIFIDIANANA : Maherin’ny 2 tapitrisa ireo vehivavy mbola tokony hisoratra anarana
Maherin’ny 25 tapitrisa no isan’ny Malagasy, raha ny antontanisa navoakan’ny fanisam-bahoaka, « RGPH 3 » tamin’ny taona 2018. Ny 13 tapitrisa amin’ireo dia vehivavy, izay efa maherin’ny 18 taona avokoa ny 6 tapitrisa. Araka ny fanazavan’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny Fifidianana (Ceni) anefa, miisa 4 tapitrisa ihany ireo vehivavy voasoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana, raha ny famaranana tamin’ny fomba ofisialy ny fikitihana ny lisitra tamin’ny 15 Mey 2020 no jerena. Tsara ho fantatra fa nanodidina ny 10 tapitrisa ny fitambaran’ireo mpifidy voasoratra anarana tamin’izany. Izany hoe, mbola misy vehivavy malagasy miisa 2 tapitrisa tsy voasoratra ao anaty lisi-pifidianana eto amintsika, araka ny fanazavan’ny Ceni.
Tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana 8 marsa, andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, nanatanteraka fikaonan-doha tetsy amin’ny foibe toerany, tetsy Alarobia, ny Ceni Madagasikara omaly. Fikaonan-doha miompana amin’ny fanomezan-danja ny maha lahy na maha vavy amin’ny fandrafetana ny Lisi-pifidianana. Nambaran’ny eo anivon’ny CENI fa mifanindra andalana amin’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana izay tontosaina amin’izao volana marsa izao, ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny vokam-pifidianana ny fandraisana anjaran’ny vehivavy amin’ny fifidianana, raha io antontanisa io no jerena, raha ny fanazavana hatrany.
Tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra
Marihana fa zo sy adidin’ny vehivavy ny mandeha mandatsa-bato mba hahafany mandray andraikitra eto amin’ny firenena. Tafiditra ao anatin’ny ampaham-potoana faharoa eo amin’ny fandrafetana ny lisim-pifidianana isika izao, raha ny fantatra hatrany. Fotoana ahafahan’ny rehetra manamarina ny anarany ao anaty lisitra vonjimaika. Nasongadin’ny teo anivon’ny Ceni ihany koa fa mbola tena ambany ny taha-pahavitrihan’ireo vehivavy misoratra anarana ao anaty lisim-pifidianana. Faritra maro manerana an’i Madagasikara no voakasika io tranga io. Araka ny fanazavana, anton’ny maro no mahatonga ny vehivavy tsy marisika amin’ny raharaham-pifidianana eto amintsika. Isan’izany ny resaka sy ny tsaho aelin’ny fiarahamonina amin’ny filazana fa tsy misy idiran’ny vehivavy ny resaka fifidianana. Eo koa ny famadihana ho resaka politika ny tontolon’ny fifidianana eto amintsika ka hivoizana ny tsy tokony handraisan’ny vehivavy anjara amin’izany. Ary koa, betsaka amin’ireo vehivavy malagasy, indrindra ireo lavitry ny renivohitra no mbola ao anatin’ny sokajin’ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra, hany ka tsy liana, na amin’ny fisoratana anarana ao anaty lisitra, na amin’ny fandehanana mifidy mihitsy. Teo anatrehan’izany, isany soso-kevitra nivoitra nandritra ny fihaonana omaly, ny tokony hampanarahana ny lisi-pifidianana araka ny filaharan’ny alfabeta.
Sata (mpianatra asa)




