PolitikaSongadim-baovao
LISI-PIFIDIANANA : Nahitana fiakarany 1,26% ny isan’ny mpifidy
Araka ny didy aman-dalàna manan-kery mifehy ny fifidianana, nifarana ny 15 Mey lasa teo ny asa fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana taona 2020-2021 nataon’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI). Nandefa fampitam-baovao nifandraika tamin’izany izy ireo ny faran’ny herinandro teo, ka nahitana fa niakatra 1,26% ny isan’ireo mpifidy nisoratra anarana tao anaty lisi-pifidianana.
Nahatratra 405 284 ireo olompirenena feno 18 taona no ho mihoatra no nisoratra anarana ho isan’ireo mpifidy vaovao, teo anelanelan’ny 1 desambra 2020 hatramin’ny 15 febroary 2021. Taorian’ny fe-potoana fanamarinana ny lisi-pifidianana izay naharitra 20 andro taorian’ny nahatongavan’ny lisitra teny anivon’ny fokontany manerana ny Nosy, sy ny fanesorana ireo anarana miverina in-droa na mihoatra, dia mitontaly 10 512 419 ireo mpifidy voarakitra ao anaty takelaka fanisana ny mpifidy amin’izao fotoana izao. Izany dia nahitana fiakarana 1,26% raha mitaha amin’ny antontanisa tamin’ny taon-dasa, araka ny fanazavan’ny Ceni. Ity farany izay nanambara fa ny 4 859 649 amin’ireo mpifidy voasoratra no vehivavy, izany hoe 46,23% ; raha toa ka 5 652 770 no lehilahy, izany hoe 53,77%. « Na eo aza ny zava-misy sedrain’ny firenena noho ny valanaretina COVID-19, tsy nataon’ny CENI ho sakana izany hanatanterahana ireo asa fanaony manodidina ity fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana ity. Tsy niato ny fanentanana ifotony sy ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana (sehatra ifampidinihana). Nohamafisina bebe kokoa ny fanentanana tamin’ny alalan’ny haino amanjery sy ny tambajotran-tserasera sosialy », hoy ny fampitam-baovao.
Nisy asa sy ezaka maro natao
Nanamafy ny teo anivon’ny Ceni fa isany antony nahazoana izao vokatra izao ny fanentanana mikasika ny fisoratana anarana sy ny fanamarinana ny fisoratana anarana nalefa tamin’ny onjampeo sy fahitalavi-pirenena. Ankoatra izany dia nisy hatrany ny fiaraha-miasa tamin’ireo fiarahamonim-pirenena, tao anatin’ireo fanentanana sy fanabeazana ny olom-irenena hisoratra sy hanamarina ny anarany anaty lisi-pifidianana. « Nomena tantsoroka manokana ireo rantsamangaikan’ny CENI eny anivon’ny distrika amin’ny fitantanana ny lisi-pifidianana. Ary farany, ireo fanentanana nalefa tamin’ny tambajotran-tserasera sosialy, mba hiantraika mivantana amin’ny olompirenena mampiasa azy ireny, indrindra ny tanora », hoy ny fanazavana.
Tetsy ankilany, nampahatsiahy koa ny Ceni fa na maro aza ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny lisi-pifidianana dia hamafisina hatrany fa ny fananana lisi-pifidianana marina sy azo antoka dia ilàna ny fifanomezan-tanan’ny rehetra. Izany dia manomboka hatrany amin’ny olompirenena tsirairay, ireo ambaratongan-drafitra ara-panjakana samihafa misehatra amin’ny fifidianana, ireo fikambanana sy vondrona isankarazany tsy miankina amin’ny fanjakana, ny haino amanjery, ary ny CENI sy ny ratsamangaikany rehetra ifotony. « Mila miara-mientana ny rehetra amin’ny fandraisana ny andraikitra tandrify azy handavorariana ny lisi-pifidianana, izay isan’ny manamafy ny fampanjakana ny demokrasia eto Madagasikara », hoy ny fanazavana.



