PolitikaSongadim-baovao

LISITRY NY MPIFIDY : 386 621 ireo mpifidy vaovao voasoratra anarana

Nofaranana tanteraka manerana ireo distrika 120, omaly 15 mey 2025 ny lisitry ny mpifidy nohavaozina ny taona 2024-2025. Teo anatrehan’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana eny anivon’ny distrika tsirairay moa no nanatontosan’ny ratsamangaikan’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana izany.

Araka ny tatitra, 12 078 427 ireo mpifidy voarakitra anaty lisitra nofaranana omaly, raha toa ka 11 691 806 ny antontanisa nandritra ny famaranana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny taona 2024. 386 621 araka izany ireo mpifidy vaovao voasoratra anatin’izany lisitra izany, izay manome taham-pitomboana 3,31%. Nahitam-bokany noho izany ireo fomba fiasa maro samihafa sy ny paikadim-panentanana napetraka handrisihana ireo olompirenena hisoratra anarana, hanamarina na hanitsy ny mombamomba azy anaty lisitry ny mpifidy.

Efa azon’ny olompirenena sy ireo mpisehatra tsidihina ao amin’ny tranokalan’ny CENI moa, ireo antontan’isa isaky ny distrika.

Nangonin’ny LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer