PolitikaSongadim-baovao

LISITRY NY MPIFIDY: Tsirihan’ny Teknisianin’ny OIF nanomboka omaly ny Rindrambaiko

Nozaraina ho dingana roa lehibe ny fanatanterahana ny fitsirihana ny rindrambaiko (logiciel) enti-mandrafitra ny lisitry ny mpifidy. Amin’ity herinandro ity no tontosaina ny andiany voalohany amin’izany raha toa ka mialoha ny fanotàna ny lisitra voamarina farany kosa no hotanterahina ny andiany faharoa.

Ambohi-pihaonan’ireo teknisianina rehetra voakasika mivantana ao anatin’izany fametrahana rindrambaiko entina handrafetana ny lisitry ny mpifidy izany ny eny amin’ny foiben’ny Ceni (Vaomeram-Pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana), eny Alarobia, mandritra ity herinandro ity. Omaly, nanao ny fifanakalozan-kevitra momba ny rijanteny fitarihana (termes de reference) entina manatanteraka ny fitsirihana ireo tompon’andraikitra. Nandray anjara tamin’izany ireo teknisianina sy mpitarika avy amina firaisamonim-pirenena sy antoko politika maro eto Madagasikara. Mitohy anio sy rahampitso ny ivon’ny fitsirihana izay hiandraiketan’ny OIF na ny “Fikambanana Iraisampirenena ho an’ny Firenena miteny na mampiasa amin’ny ampahany ny teny frantsay”. Amin’ny alakamisy ho avy izao kosa no hamaranana ny dingana voalohany amin’izany fitsirihana izany ka hisy indray ny tatitra sy ny toromarika avy amin’ireo ekipan’ny OIF manao ny fitsirihana.

Fifanankalozan-kevitra

Arak’izany, nafana ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ireo teknisianina, ireo mpikambana ao amin’ny Ceni ary ireo tompon’andraikitra ao amin’ny OIF omaly. Nisongadina tamin’ny tolo-kevitra nataon’ireo teknisiana, mpitarika avy amin’ny firaisamonim-pirenena sy antoko politika, ny fanaovana fanamarinana sy fanitsiana ilay rijanteny fitarihana enti-manatanteraka ny fitsirihana manomboka anio. Taorian’ny fandraisana ireo fanitsiana azo ampiharina, niroso tamin’ny fankatoavana ny tondrozotra ny rehetra.
Raha ny fanazavana avy amin’ny tompon’andraikitra ao amin’ny firaisamonim-pirenena Safidy, firaisamonim-pirenena iray izay misehatra amin’ny fanaraha-maso ny zotram-pifidianana, ny fanatrehana fifanakalozan-kevitra toy izao dia hahafahan’izy ireo mahafantatra misimisy kokoa ny dingana rehetra atao ao anatin’ny zotram-pifidiana misy eto Madagasikara. Fitondrana fanatsarana sy soson-kevitra ary fampahafantarana ireo olom-pirenena eny ifotony mahakasika ny rindrambaiko enti-mandrafitra ny lisitry ny mpifidy no fandraisana anjara azon’izy ireo hoentina ao anatin’izao fanatanterahana fifanakalozan-kevitra izao.

Lisitra azo antoka sy eken’ny rehetra

Fanamafisana ny fifampitokisana eo amin’ireo mpisehatra ara-pifidianana rehetra mahakasika ny zotram-pifidiana, fa indrindra momba ny fanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy; fanatanterahana fifidianana milamina, marim-pototra, mangaraharaha ary azo antoka; izany amin’ny ankapobeny no vina hapetraka eto amin’ny firenena ao anatin’izao firosoantsika ao anatin’ny fifidianana izao. Ho fampiharana izany, nanapa-kevitra ny hanao fitsirihana ny rindrambaiko ampiasaina amin’ny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy ny avy eo anivon’ny Ceni. Izany no natao dia hahafahana mampiasa lisitra azo antoka sy eken’ny rehetra, ary ihany koa miantoka ny filaminana mialoha sy aorian’ny fifidianana.

Ny fampiasana rindrambaiko voamarina sy vita fitsirihana, arak’izany, dia hahafahana mahazo io lisitra azo antoka io. Izany indrindra no antony niantsoana ireo efa matihanina iraisam-pirenena hanampy amin’ny fanatanterahana azy. Ny avy eo anivon’ny OIF moa no naneho ny fahavononany amin’izany ka nanome teknisianina manam-pahaizana hanatanteraka ny fitsirihana. “Efa ao anatin’ny lahasan’ny OIF rahateo ny fanaovana izany fitsirihana izany”, hoy ny nambaran’i Soava Andriamarotafika, mpampiaka-teny eo anivon’ny Ceni.

Fampanjakana ny mangarahara sy ny fandraisana anjaran’ny rehetra

Arak’io notaterina teo ambony io, fanatanterahana fifidianana ao anatin’ny mangarahana sy fampandraisana anjaran’ny rehetra ao anatin’ny zotram-pifidianana no tanjona hapetraka eto amin’ny firenena. Ho fampiharana izany indrindra, manomboka amin’izao fanaovana fisoratana anarana ao anaty lisitry ny mpifidy izao, no antony nanasana ireo teknisianina avy amin’ny firaisamonim-pirenena sy antoko politika, ka hiara-hisalahy ao anatin’izao fanatanterahana fitsirihana izao izy ireo. Maro tamin’izy ireo moa no liana amin’io fanomezana tolo-kevitra entina hanatsarana ny rindrambaiko handrafetana ny lisitry ny mpifidy io ka tonga maro ary nazoto tamin’ny fandraisam-pitenenana izy ireo omaly.

Asa ho tanterahina

Tanjona amin’ny fanatanterahana izao fitsirihana ny rindrambaiko enti-mandrafitra ny lisitry ny mpifidy izao ny fanaovana fanamarinana arak’isa sy ara-kalitaon’ireo antotanisa azo mandritra ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy sy ny rejisim-pifidianana. Izany dia hatao mifanaraka amin’ny fenitra takiana iraisam-pirenena ka mba hahafahana mamantatra ireo tanjaka sy ireo teboka mbola tokony harenina; ary hahafahana mametraka ihany koa ireo soson-kevitra tokony hampiharina amin’ny ho avy.

Ao anatin’izao dingana voalohan’ny fitsirihana izao, arak’izany, narafitra ao anatin’ireto teboka manaraka ireto, ireo asa tanterahina anio sy rahampitso. Isan’izany ny:
-Fanaovana fanadihadiana ilay rindram-baiko sy ny asa fikirakirana ireo antotanisa;
-Fanaovana tombana isaky ny distrika ireo fisoratana anarana ao anaty lisitry ny mpifidy;
-Fanaovana fanadihadiana momba ny fahatomombanan’ireo angon’antotanisa voarakitra any anaty solosaina;
-Mba hahafahana mamantatra ny tahan’ny fandraisana anjara amin’ny fisoratana anarana ao anaty lisitry ny mpifidy, asa hiandraiketana ihany koa ny fanaovana tombana ireo antotanisa efa voarakitra mitaha amin’isan’ny olom-pirenena tokony handray anjara amin’ny fifidianana ao anatin’ny faritra iray;
-Fikarohana ireo fisoratana anarana mety hiverimberina na lesoka hafa mety hiteraka fanakorontanana eo amin’ny fahamarinan’ny lisitra;
-Fanamarinana ireo fepetra fiarovana ny antotanisa araky ny fenitra ara-dalàna noraisina;
-Fanaovana tatitry ny asa vita nandritra izao dingana voalohany amin’ny fanaovana fitsirihana izao.

Niala an-daharana ireo antoko mpanohitra

Nampiavaka io tontolo andron’ny fanombohan’ny fitsirihana omaly io, ny fahatongavan’ireo mpitarika sy teknisianina avy amin’ny antoko mpanohitra. Nialohan’ny tena nanombohan’ny fifanakalozan-kevitra anefa, nangataka ny handray fitenenana ny solotenan’izy ireo ary nanao fanambarana niraisana. Nivoitra tamin’izany ny hoe tsy tokony ho tanterahina amin’izao fotoana ny fanaovana fitsirihana ny rindrambaiko enti-mandrafitra ny lisitry ny mpifidy noho ny antony maro notanisain’izy ireo. Teo ihany koa ny filazana fa ny lalàna mifehy ny fifidianana mihitsy no tokony hasiam-panovana ary tokony haverina tendrena indray ireo mpikambana eo anivon’ny Ceni ankehitriny noho ny fiheveran’izy ireo fa tsy ara-dalàna ny fametrahana izany. Vokany, nivoaka ny efitra lehibe nanaovana ny fifanakalozan-kevitra ny avy amin’ny antoko mpanohitra ary nanambara fa tsy handray anjara amin’ny fanomezana soson-kevitra entina manatanteraka ny fizotry ny fitsirihana ilay rindrambaiko.
Ankilany, niezaka ny nandresy lahatra azy ireo mba hanatrika ny fihaonana mandritra ny tapak’andro maraina fotsiny ihany aza ireo mpikambana ao amin’ny Ceni, saingy tsy nahoan’izy ireo izany.
“Ny fanazavana mahakasika izany fitakian’izy ireo momba ny fitsirihana ny rindrambaiko izany anefa no isan’ny nodinihina nandritra ny fifanakalozan-kevitra nandeha teo. Saingy nolazaina fa efa fanapahan-kevitr’izy ireo moa ny tsy handray anjara dia tsy tana izy ireo”, hoy hatrany ny fanehoan-kevitry mpampiaka-teny ao amin’ny Ceni.

Manoloana izany tranga niseho omaly izany, indrindra mahakasika ireo fanambarana nataon’ny antoko mpanohitra ireo, naneho ny heviny ny mpandinika ny fiainam-pirenena iray. Nohazavain’i Dollyno Rasolosoa fa “tsy hita loatra izay antony tokony hikitiana ireo mpikambana ao amin’ny Ceni satria nanaraka ny antanantoatra, ny dingana tokony hatao, ny fanendrena azy ireo… Mahakasika ny fikitihana ny lalàna mifehy ny fifidianana kosa, tsy fotoana intsony izao, rah any ara-teknika no jerena, hanaovana izany fikitihana izany fa ny datim-pifidianana aza efa akaiky, efa volana vitsy sisa dia ho avy. Raha tokony hanao izany isika dia efa tany amin’ny 2 taona lasa isika no nitady an’izany… Mety hiteraka korontana indray ny fikitihana izany. Ary ny mahagaga, nolazana teo aloha teo fa ny Fitondrana amin’izao fotoana no tsy vonona hanatanteraka fifidianana. Kanefa raha ny zava-misy dia ny Fitondrana indray no vonona hiatrika fifidianana fa ny mpanohitra sasany indray ity no mangataka fanemorana raha toa ka mbola hikitika izany lalàna izany”.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Fermer