
PolitikaSongadim-baovao
LOHOLONA LALATIANA RAKOTONDRAZAFY : Mitondra tolo-dalàna hanatsarana ny sehatry ny fiompiana omby
Singa 3 lehibe no tena fanovana goavana nentina ao anatin’ny tolo-dalàna mikasika ny fiompiana omby, na ilay « Proposition de loi n°002-2025/senat/ppl portant recensement, vaccination et suivi sanitaire des bovins à Madagascar », araka ny fanazavana nentin’ny Loholon’i Madagasikara, Lalatiana Rakotondrazafy, izay tompon’ny tolo-dalàna.
Nohazavainy fa lasa be loatra ny vola aloan’ny tompon’omby rehefa manao vaksiny sy mikarakara taratasin’omby indrindra ny FIB (Fiche individuelle de bovins) izy satria miparitaka loatra ireo sampan-draharaha hikarakarana ny taratasy ary samy manao izay tiany amin’ny famaritana ny vola alainy amin’ny tompon’omby. Noho izany, vahaolana ny fametrahana « guichet unique » izay tonga dia ahitana solotenam-panjakana sy ny veterinera rehetra tafiditra anaty fikarakarana taratasin’omby, izay eo akaikin’ny toerana fanaovana vaksiny no apetraka ka tonga dia atao peta-drindrina mialoha ny fotoana iasany sy ny vola aloan’ny mpiompy isaky ny omby rehefa hanao ilay vaksiny voalohany « anti-charbonneuse » sy avy hatrany dia hikarakara taratasin’omby izy. Tsy misy vola aloa hafa ankoatra izay intsony ary manamora ny fanarahamaso izay raha mbola misy alaim-panahy haka vola ankoatra ny efa voafaritra mialoha ao anaty peta-drindrina. Mila omena andraikitra (à responsabiliser) koa ny Imprimerie Nationale mpamoaka ny « imprimés à valeur fiduciaire » satria tsy afenina fa anisan’ny fototr’olana koa io hatramin’izao, raha ny nambarany.
Ankoatra izay, mitaraina amin’ny tsy fahampian’ny veterinera tonga manatona azy ireo ny tantsaha sy ny ben’ny tanàna any ifotony any. Taorian’ny « ajustement structurel » teto Madagasikara dia nomena ny veterinera tsy miankina ny antsoina hoe « mandat sanitaire » hahafahany manao ny asam-baksiny sy ny asa hafa tandrify azy ao anatin’ny fikarakarana taratasin’omby. Dia tsy niantsehatra intsony ny veterineram-panjakana fa lasa natokana ho an’ny tsy miankina irery ny asa. Tsy mahasehaka ny faritra rehetra anefa ny veterinera tsy miankina satria mbola tena vitsy. Vahaolana naroso, noho izany, dia hoe afaka mitohy mahazo « mandat sanitaire » ihany ny veterinera tsy miankina, fa tokony haverina ho afaka manao ny asa ihany koa ny veterineram-panjakana, satria ilay « mandat sanitaire » mira « concession d’un service public ». Asam-bahoaka izany no atao, tsy « privatisation d’un service public » akory fa tahaka ny hoe raha manome alalana ny fisokafana sekoly tsy miankina ohatra ny Fanjakana dia tsy midika fa tokony tsy afaka mampianatra intsony ny fanjakana fa avela ataon’ny tsy miankina tanteraka, raha manome alalana hanokatra oniversite tsy miankina ny Fanjakana dia tsy midika mihitsy hoe tokony hikatona tsy hahazo hampianatra intsony ny oniversitem-panjakana fa efa nomena ny tsy miankina ny alalana hanao izany.
Etsy ankilany, anisan’ny goavana ao anatin’io tolo-dalàna io ny fametrahana sehatra ifampiresahana sy ifanakalozan-kevitra, ka voasolo tena ao daholo ny mpisehatra rehetra eo amin’io resaka fiompiana omby io. Satria ny tsapa dia nahafahan’ny rehetra nifanakalo hevitra sy nilaza ny marary azy ny « espace de dialogue » sy fakan-kevitra natao nandritra ireny famolavolana ny tolo-dalàna ireny, ka tokony hatao maharitra apetraka amin’ny alalan’ny lalàna mihitsy ary mba ho teny ierana sy fifampiresahana hatrany no ifampitondrana eo amin’io sehatra io. Mifanindran-dalana amin’izay ny tokony hametrahana « système integré de gestion de la filière bovine » hahamora ny fanisana ny omby misy eto Madagasikara sy ny « traçabilité » ny omby hiadiana amin’ny halatr’omby ka ny minisiteran’ny fiompiana no miandraikitra azy saingy manana anjara asa lehibe ao anatiny ny sehatra ifanakalozan-kevitra misy ny solotenan’ny mpisehatra rehetra, amin’ny fanomezana ny torohay mikasika ny omby miainga any ifotony any satria izy ireo no tena mahita sy miaina azy any.
“Tsy misy tombontsoanay mpiara-miasa na kely aza satria izahay tsy mpiompy omby fa tena fanampiana ny tantsaha sy ny ben’ny tanàna mitaraina efa an-taonany maro mikasika azy io, satria tsy afaka hitazam-potsiny manoloana ny fitarainan’izy ireo, ary ny rehetra mahalala fa misy olana tokony hovahana ao”, hoy hatrany ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy.
Ny Fanoratana.



