PolitikaSongadim-baovao
LOLA RASOAMAHARO: Nidoboka am-ponja noho ny fitakiam-bola tsy ara-drariny
Rehefa tsy nanaiky ny fitakiam-bola tsy ara-drariny mitentina 885 tapitrisa Ariary natao taminy Ramatoa Victoire Brigitte Razaka, dia niharan’ny fampitahorana sy fampihorohoroana, ary tonga hatramin’ny fanalam-baraka mihitsy, nataon’i Lola Rasoamaharo. Izay indrindra no nahatonga ny raharaha niakatra teny anivon’ny Fitsarana, ka nampidirana am-ponja vonjimaika an’i Lola Rasoamaharo, ny sabotsy teo.
Nisy fifanarahana mazava sy voasonia nifanaovan’i Lola Rasoamaharo, tompon’ny Gazety mpiseho isan’andro, “La Gazette de la Grande Île”, sy Ramatoa Victoire Brigitte Razaka, izay samy mpandraharaha, tamin’ny taona 2019. Nanomboka tamin’ny Oktobra 2022 anefa, dia nisy fitakiam-bola tsy ara-drariny nataon’ingahy Lola Rasoamaharo tamin’io Ramatoa mpandraharaha niara-niasa taminy io. Tsy nisy fanamarinana na fanaporofoana ny anton’io fitakiam-bola nataony io, ka tsy nety nandoa izay hatramin’ny farany ihany koa Ramatoa Victoire Brigitte Razaka. Nisy, araka izany, ny fampitahorana sy ny fampihorohoroana nataon’i Lola Rasoamaharo. Tonga hatramin’ny fanaovana sora-doko amin’ny rindrina (Graffitis) manevateva izay efa mihoatra ny 50 isa, any amin’ny manodidina ny toeram-ponenan-dRamatoa Victoire Brigitte Razaka, raha ny fanazavany.
Manoloana izay, nitondra ny raharaha teo anatrehan’ny Fitsarana ny lasibatra, mba ho fiarovana azy sy ny fianakaviana. Fitakiam-bola tsy ara-drariny, fampihorohoroana, fanalam-baraka,firaisana tsikombakomba, ireo no anton’ny fitoriana. Notsindrian-dRamatoa Victoire Brigitte Razaka fa ady eo amin’ny samy sehatra tsy miankina ity raharaha ity fa tsy misy idiran’ny asa fanaovan-gazety. Nisy omaly ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety nataon-dRamatoa Victoire Brigitte Razaka sy ny Mpisolovava azy Maître Andriamparanirina Fanaja.
Fampidirana am-ponja mpanao gazety?
Anisan’ny nanaitra ny mpanara-baovao nanomboka ny faran’ny herinandro teo ity raharaha Lôla Rasoamaharo niditra am-ponja ity. Tsy vitsy ireo nampifandray avy hatrany ny raharaha amin’ny maha mpanao gazety sady tompon’ny orinasan-tserasera “La Gazette de la Grande Île” azy. Velom-panontaniana, noho izany, ireo mpanara-baovao raha toa ka fampidirana am-ponja noho ny resaka asa fanaovan-gazety no nahazoana. Ireo efa voalaza eo ambony ireo, araka izany, no valiny. Ny lalàna laharana 2020-006 nanitsy ny lalàna 2016-029 mifehy ny serasera amin’ny Haino Vaky Jery dia milaza ao amin’ny andininy faha-20 nohavaozina, fa tsy misy intsony ny fanagadrana mpanao gazety fa lamandy no saziny raha toa izy ka nanao fahadisoana amin’ny asany (Délit de Presse), araka ny fanamarinan’ny Fitsarana. Noho izany, heloka ivelan’ny asa fanaovan-gazety no vesatra hanenjehana an’i Lola Rasoamaharo, ka tsy lalàna mifehy ny serasera no mihatra fa ny fehezan-dalàna famaizana.




