PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
LONILONY POLITIKA SA ANTONY HAFA ? : Nisy namono ny Ben’ny tanànan’i Mangataboahangy, olona telo voasambotra
Teo amin’ny lalam-pirenena RN35, anelanelan’ny kizo Ambavalozakely sy Ankafotra ambany no niharan’ny tifitra variraraka ny fiara 4x4 nitondra ny ben’ny Tanànan’i Mangataboahangy, lany tamin’ny Vovonana Irmar, distrikan’Ambatofinandrahana, taorian’ny fisalorana samboady, ny zoma lasa teo. Hatreto, olona telo no efa voasambotra, mitohy ny fanaovana hazalambo ireo jiolahy ampolony nanafika…
Tifitra variraraka ! Namoy ny ainy nandritra ny tifitra natao tamin’ny fiara 4×4 nitondra azy hody Rasazy Ranivoarivony Narindraniaina, Ben’ny tanàna lany tamin’ny Vovonana Irmar, ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Mangataboahangy, distrikan’Ambatofinandrahana, ny zoma lasa teo. Araka ny angom-baovao, fiara 4×4 iray avy any Ambositra handeha Amboropotsy, izay nentin’’i L. Leonard, no nisy nanakana teo amin’ny lalam-pirenena RN 35, anelanelan’ny kizo Ambavalozakely sy Ankafotra ambany, kaominina ambanivohitra Itremo, izay tokony ho 20 km miala an’Itremo. Vokatry ny tifitra niantefa teo ambany saokany dia maty avy hatrany ity ben’ny Tanàna lany tao amin’ny Kaominina Mangataboahangy. Isan’ny naratra tamin’izao fanafihana izao, ny mpamily. Tsy nisy ny entana nalain’ireo jiolahy nitifitra. Ireo mpandeha sasany kosa, samy nanavotra aina, ka isan’izany ny anadahin’ity ben’ny Tanàna lavo ity.
Nandritra ny fitondrana ny razana, fantatra fa mbola nisy sakana hafa teny an-dalana, saingy tsy nisy olon-dratsy teo. Ireo zandary nanaraka ny razana, araka izany, no nanala azy. Mandeha ny fanadihadiana sy famotorana mahakasika ny famonoana an-dRanivoarivony Narindraniaina, Ben’ny tanana voafidy tao Mangataboahangy Ambatofinandrahana. Raha ny angom-baovao tany an-toerana, olona telo no efa voasambotra hatreto, izay tazomina ao Ambatofinandrahana. Efa Ben’ny tanàna am-perinasa teo koa ny rainy no nisy namono, tamin’ny 2017. Nivory maika ny OMC notarihan’ny Prefen’Ambositra nandamina ny fandriam-pahalemana any Ambatofindrahana.
Fiaraha-miory avy amin’ny Emmo/Nat
Nanatontosa famangiana ny fianakavian’Itompokovavy Ranivoarivony Narindraniaina, Ben’ny Tanànan’ny Kaominina Mangataboahangy ny Hery fiarovana sy fandriampahalemana telo tonta mitambatra ahitana ny Polisy, ny Zandary ary ny Tafika. Nitarika izany ny Komandin’ny zandarimariam-pirenena sy ny CEMA ary notronin’ny komandin’ny ZRPS Tsiafajavona, komandin’ny CIRGN Fianarantsoa, ny komandy ny tobim-paritra Ambatofinandrahana ary ny Kaomisera. Taorian’ny fanehoana fiaraha-miory sy fankaherezana, nisy ny fanolorana ny fao-dranomaso ho an’ny velona ary zoron-damba ampombaina ny maty. Naneho ny fisaorana sy fankatelemana ny solontenan’ny fianakaviana noho izao fihetsika nataon’ny Hery fiarovana sy fandriampahalemana izao. Niainga nihazo an’Ambositra ny Razana omaly tamin’ny 8 ora30mn, ary horaisin’ireo manampahefana ao an-toerana. Araka ny fandaharam-potoan’ny fianakaviana dia ny rahampitso talata no hanatontosana ny fandevenana any Andramasina.
Pierre M.




