SamihafaSongadim-baovaoSosialy
LOSITRA FONJAN’I FARAFANGANA: 2 tapitrisa Ar isaky ny voafonja tratra no valisoa
Ny faran’ny herinandro teo, namoaka fampitam-baovao ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana fa “ Tsy maintsy tafaverina ireo voafonja nandositra tao amin’ny fonjan’i Farafangana ». Hahafahana manatanteraka izany dia miara-misalahy ny minisiteran’ny Fitsarana izay miahy ny Fandraraharana ny fonja, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny Polisim-pirenena ary ny Tafika malagasy. Nilaza ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana fa manana andraikitra goavana amin’ny fanomezam-baovao ny fokonolona sy ny olom-pirenena tsirairay avy, mba hahafahana mikaroka ireo gadra nitsoaka izay mbola misy 17 izy ireo hatreto, miriorio eny anivon’ny fiarahamonina. Araka izany, « valisoa 2 tapitrisa ariary isaky ny voafonja tratra no homena izay olona manampy amin’ny fikarohana sy fisamborana azy ireo », hoy ny fampitam-baovao. Nanentana ny vahoaka hifandrimbona sy hifanome tanana ary tsy hiray tsikombakomba amin’ny fanafenana na fandraisana ireo mpitsoaka ny minisitera tompon’andraikitra. « Helohin’ny lalàna ary loza ho an’ny filaminam-bahoaka ny lositra. Loza mitatao ho an’ireo voafonja nandositra ny fitsaram-bahoaka raha mifanojo amin’ny fokonolona izy ireo ka tratra”, hoy ny fanazavana.
Tsy hiharan’ny fanenjehana izay mitolo-batana
Etsy ankilany, raha misy amin’ireo voafonja tapakevitra ny hitolo-batana miverina am-ponja na manatona tobin’ny mpitandro filaminana dia tsy hihatra aminy ny fanamelohana na fanenjehana araka ny lalàna, araka ny fampitam-baovao hatrany. Raha tsiahivina ny zava-nitranga, vaky ny fonja tao amin’ny Distrikan’i Farafangana ny 23 Aogositra lasa teo, izay nampisahotaka ny vahoaka tany an-toerana. Nisy avy hatrany ny fifampitifirana teo amin’ireo gadra nitsoaka sy ny mpiandry fonja, niaraka tamin’ny mpitandro filaminana, ka nahalavoana gadra 20, 38 kosa no azo sambo-belona, ary 31 mbola karohina tamin’izany fotoana. Efa nisy ny fidinan’ny minisitry ny Fitsarana sy ny Minisitry ny Asa izay mpiahy ny Faritra Vatovavy Fitovinany tany an-toerana taorian’ny tranga. Ary efa nisy koa tatitra ofisialy tamin’ny antsipiriany nataon’ny minisitra tompon’andraikitra. Hatreto izany, 17 ireo mbola tsy tafaverina ka handrasana izay mety ho tohin’ny raharaha…



