Songadim-baovao

Lova nangalarina : Hiakatra fampanoavana eny amin’ny Pac ny raharaha

Ho fantatra tsy ho ela ny marina momba ity lova nangalarina ity satria hiakatra fampanoavana eny amin’ny Pac, vokatry ny fivadiham-pitokisana nataon’ny torina…

Anisan’ireo telo mianadahy nitory amin’ity raharaha ity.

Roa herinandro taorian’ny nanehoana ampahibemaso ny raharaha nitorian’ny zanaka karana telo mianadahy Hanna, Masha ary Reza Hirdjee, ny Nenitoan’izy ireo, Mezbine Onaly Laldjee, dia hiakatra fampanoavana eny amin’ny Fitsarana manokana miady amin’ny kolikoly na ny Pac ny raharaha, amin’ny herinandro hoavy izao. Raha tsiahivina, nisy didy nifanaovan-tsoniam-pifanarahana, ny 4 aogositra 2015, izay nanome rariny ny mpitory tamin’izany, kanefa nivadihan’ny notoriana. Io fifanarahana io, izay nivadika ho halatra fananana sy ireo lova taty aoriana. Na izany aza, efa nisy  ny fanelanelanana nataon-dRamatoa Minaz Amarsy tamin’izany, sady vavolombelon’ny raharaha momba ity lova ity.

Niniana nohadinoina ny fitoriana noho ny halatra fananam-pianakaviana sy fivadiham-pitokisana, izay napetrak’izy telo mianadahy tany amin’ny Polisy ekonomika, izay tokony ho mpandova amin’ity lova ity. Amin’ity raharaha farany no andrasana ny fanolorana azy amin’ny fampanoavana. Manoloana ny raharaha izay somary mitarazoka, manahy ny fisian’ny raharaha ambadika na kolikoly izy telo miandahy tokony ho mpandova ny fananana rehetra. Hentitra izy telo miandahy mpitory nanambara fa « raha sanatria ka misy izay fofompofona kolikoly izay, hampiakatra ny raharaha amin’ny ambony kokoa izahay, ary hiady hatramin’ny farany, amin’ireo fananana navela ho azy ireo ».

Fermer