Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
LOZA MAHATSIRAVINA : Taksibe iray nifaoka mpitondra môto, telo namoy ny ainy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina, tamin’ny lalam-pirenena voalohany iny, omaly tokony ho tamin’ny 3 ora sy 30 mn, teo amin’ny PK23+800 eo Beronono. Araka ny angom-baovao, môtô iray avy any Imerintsiatosika no tsy nanaja ny fisongonana no nifatratra tamina taksibe iray, ka voafaoka. Vokany, nipitika io mpitondra môtô io ka nahavoadona ilay môtô iray tao afovoany. Io indray avy eo no nandona ilay mpitondra môtô fanintelony ka nahavoadonan’ilay fiara ireo mpitondra môtô fanintelony Ilay nitondra môtô voalohany, araka izany, no voalaza fa antony niteraka izao loza izao, noho ny tsy fanajany ny fisongonana no fantatra fa nisetrasetra raha ny nambaran’ireo olona manodidina.
Ilay nitondra môtô teo afovoany kosa indray, dia tapaka ny tongony raha naratra kosa, ny iray. Ireo voadonan’ny fiara fanintelony no namoy ny ainy, satria mafy dia mafy ny fifandonana. Ireo maratra anankiroa kosa, nentina avy hatrany ao amin’ny HJRA, raha nalefa ao amin’ny CSBII Imerintsiatosika ireo razana telo. Ny razana iray amin’ireo telo no mbola tsy fantatra ny havany hatreto. Tiana ny manamarika fa lehilahy roa sy vehivavy iray ireo nindaosin’ny fahafatesana vokatr’ity loza niseho tamin’ny lalam-pirenena voalohany ity. Ny avy amin’ny Zandarimaria no misahana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.
Pierre M.



