Songadim-baovaoSosialyTrangam-piaraha-monina
LOZA TAMPOKA TEO AM-PERINASA: Mpiasan’ny APIPA miisa efatra maty, ahina ho sempotry ny entona mahery vaika
Mpiasan’ny APIPA miisa efatra no indray namoy ny ainy, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny fampahafantarana nataon’ity fitantanan-draharaha misahana ny fiarovana ny lemak’Antananarivo amin’ny tondra-drano ity, dia ahina ho matin’ny entona mahery vaika na akora simika izy ireo. Andrasana kosa ny valin’ny fanadihadiana atao mikasika ity raharaha ity…
Loza mahatsiravina no niseho nandritra ny asa notanterahin’ny ekipa am-perinasan’ny APIPA, ny alin’ny zoma 02 Mey lasa teo, teny 67Ha, izay nisahana ny fikarakarana sy fikojakojana ireo fantson-drano maloto eto Antananarivo. Mpikambana miisa efatra miasa eo anivon’ny APIPA ireo nodimandry. Ahitana ny Lehiben’ny sampan-draharaha misahana ny fikojakojana, Rakotoarindresy Andriantsiferana Sandasarobidy, 44 taona, ary mpiasa telo lahy mpanadio, Rakotondrasoa Avotriniaina Jemima, 24 taona, Rakotonirina Tojosoa, 24 taona, ary Rakotoarison Laza, 24 taona. Ireto farany, izay ahina ho sempotra ka matin’ny entona mahery vaika na akora simika nivoaka tampoka tao amin’io fantsona mpitondra rano maloto, araka ny nomarihan’ny teo anivon’ny Fitantanan-draharaha misahana ny fiarovana ny Lemak’Antananarivo amin’ny tondra-drano (APIPA).
Fantatra, fa nanomboka tamin’ny 10 ora alina ny asa tao amin’ny “regard” eny Bekiraro, izay voalaza fa fanao mahazatra. Nanao fitaovana fiarovana (EPI) avokoa ny ekipa tamin’izany, ary mialohan’ny hidirana sy hanantanterahina ny asa fanadiovana kosa, dia tsy maintsy arahina ny fotoana ampidirana rivotra madio, raha ny fampahafantarana nataon’ny APIPA. Araka io fampahafantarana nivoaka io hatrany, araka izany, dia samy nanao fitaovana fiarovana araka ny fenitra ireo mpiasa, satria asa ara-panjakana tanterahina amin’ny fomba ofisialy no natao tamin’io fotoana io.
Nangataka fanadihadiana lalina…
Manoloana io voina io, dia nangataka fanadihadiana lalina mikasika ity tranga ity ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanapariaham-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), ny APIPA, ary ny fianakaviana mana-manjo. Azo antoka araka izany, ny hisian’ny fanazavana feno sy mazava aorian’io fanadihadiana atao mikasika iny loza iny. Tsiahivina, fa ny APIPA dia rantsa-mangaikan’ny Minisiteran’ny Fanapariaham-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), izay miandraikitra ny asa fikojakojana sy fanadiovana ny tambajotra lalan-drano maloto eto an-dRenivohitra, sy araka ny fenitra ara-teknika mifehy izany. Ankoatra izay, dia voalaza, fa ampahany amin’ireo asa fikojakojana voalahatra amin’ireo antsoina hoe “regards temporaires » miisa 14 voamarika eto an-dRenivohitra ny asa notanterahina ny zoma teo io, ary teny amin’ny toerana faha-07 manandrify ny tobin-tsolika Jovenna, ao amin’ny Fokontany 67 Ha, araka ny fandaharam-potoana notanterahin’ny APIPA ity asa nampidi-doza mpiasa ity. Ny atao hoe “regards temporaires” moa dia fitaovana hahafahana misitrika hanadiovana sy hanalana fotaka amin’ny fantsona mitondra ranon’orana sy rano maloto. Nanomboka ny taona 2019 no nanantanterahina ny hetsika fanadiovana io, ary atao in-droa isan-taona izany mba ho fitantantana sy fikojana ireo toby fitrohana rano maloto, araka ny nomarihan’ny APIPA. Naneho ny fiaraha-miory amin’ireo fianakavian’ny maty ny minisitera tarihin’Andriamatoa Minisitra, Andriantsitohaina Naina, ary ny APIPA. Ireto farany, izay nitaona ny vahoaka ho tony sy tsy hamoaka vaovao diso mifanohitra amin’ny fanambarana ofisialy navoakany mandra-pahavitan’ny famotorana.
Nangonin’i Stan R.




