Fanadihadiana ManokanaTrangam-piaraha-monina
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA AN-DALAMBE: Mamono olona 1,35 tapitrisa isan-taona
Marihina isaky ny alahady fahatelo ao anatin’ny volana novambra ny andro maneran-tany natao hahatsiarovana ireo olona niharan’ny lozam-pifamoivoizana. Tamin’ny alahady 17 novambra lasa teo no nanamarihana izany tamin’ity taona 2024 ity. Nisongadina fa mamono olona manodidina ny 1,35 tapitrisa maneran-tany isan-taona ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe…
Maro ny antony mety mahatonga ny lozam-pifamoivoizana eny an-dalamabe rehetra eny. Eo ny mety ho faharatsian’ny fotodrafitrasan-dalana sy ny fitaovana, ny tsy fahafehezana ny familiana, ny fandikana ireo lalàna maro mifehy ny fifamoivoizana, ny fitondran-tenan’ny mpamily, sy ny maro hafa. Tamin’iny taona 2023 iny, ohatra, azo lazaina ho mbola midangana ireo loza mifandraika amin’ny fifamoivoizana sy ny fiantraikany. Ho an’ny teto amin’ny tanàn’Antananarivo renivohitra manokana izay toerana anisany betsaka fifamoivoizana indrindra, niisa 494 ireo lozam-pifamoivoizana tsotra nitranga tamin’iny taon-dasa iny, 108 ny lozam-pifamoivoizana vokatry ny hamamoana, ary niisa 08 kosa ireo lozam-pifamoivoizana vokatry ny tsy fananana taratasy fahafahana mamily. Vokatr’izany, niisa 80 ny fitambaran’ireo olona namoy ny ainy noho ny lozam-pifamoivoizana taona 2023, raha toa ka 628 kosa ireo naratra. Amin’ireo olona miisa 704 voakasiky ny lozam-pifamoivozana, lehilahy ny 511 amin’izy ireo ary vehivavy ny 193. Eo amin’ny lafiny fampitaovana kosa indray, tsikaritra fa ireo fiara no tra-doza bebe kokoa tamin’ny taona 2023. Niisa 468 ny lozam-pifamoivoizana mahakasika ny fiara raha toa ka 270 ny loza nahazo ireo kodiarandroa.
Tato anatin’ny herinandro vitsy teo izao, ireo kodiarandroa indray no matetika manao lozam-pifamoivoizana ho an’ny teto Antananarivo sy ny manodidina. Tamin’ny alahady hariva tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany, ohatra, kodiarandroa iray entin’olo-tokana no nifandona tamina fiara avy any Ambatolampy hiakatra eto Antananarivo, teny Behenjy. Vokany, naratra mafy noho ny dona nahazo azy ilay mpitondra kodiarandroa ary efa nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana saingy tsy tana intsony moa ny ainy taorian’izany. Fantatra fa vokatry ny tsy fitandreman’ilay mpitondra kodiarandroa no izay tsy nanaraka ny lalana tandrify azy sy ny fandehanana mafy no nahatonga io loza io. Nialoha io, lozam-pifamoivoizana nahatsiravina ihany koa no nitranga teo Beronono lalam-pirenena voalohany (RN1) tamin’io alahady io hatrany. Mpifankatia mbola nitondra kodiarandroa ihany no nifandona tamin’ny fiara taksibe avy any Imerintsiatosika. Vokatr’izany, maty tsy tra-drano ilay lehilahy nitondra kodiarandroa, ary tapaka sy nipitika ny fen’ilay vehivavy niaraka taminy.
Antontanisa ambony
Andrasana amin’ny fiandohan’io taona 2025 ho avy io, araka izany, ny antontanisa ofisialy mahakasika ny lozam-pifamoivoizana niseho nandritra ity taona 2024 ity. Mandra-pahatonga izany dia andro maneran-tany natao hahatsiarovana ireo olona niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny datin’ny 17 novambra 2024. Marihina isaky ny alahady fahatelo amin’ny volana novambra io andro maneran-tany io, ary iombonan’ireo firenena rehetra manerana an’izao tontolo izao. Tanjona apetraka mifandraika amin’izany ny hahatsiarovana ireo rehetra nitondra takaitra, namoy havana na namana, rava fananana vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Eo ihany koa ny hanohanana ireo olona niharan’ny lozam-pifamoivoizana sy hankahery ireo mpisehatra rehetra momba ny ady atao amin’ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Tanjona fahatelo farany ny hampandraisan’andraikitra. Ao anatin’izany no hanohanana hatrany ireo ezaka rehetra izay efa atao mba ho fampihenana ny isan’ny olona maty sy maratran’ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe.
Rehefa izany, nasongadina nandritra io andro manokana io ny antontanisa mahakasika ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe. Fantatra tamin’izany fa mahafaty olona 1 isaky ny 24 segondra ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe. Izany hoe manono olona manodidina ny 1,35 tapitrisa isan-taona. Antony fahavalo mahatonga fahafatesana betsaka indrindra ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe, ary antony voalohany mahafaty ny ankizy 5 hatramin’ny 14 taona sy ny tanora 15 hatramin’ny 29 taona. Ankoatra ireo, fantatra fa ny 54% amin’ny olona maty dia mpandeha an-tongotra, mpitaingina bisikileta na ihany koa mpitondra kodiarandroa. Aty amin’ny firenena an-dalam-pandrosoana, ny 1%-n’ny fiara dia mahatonga ny 13%-n’ny fahafatesana, raha toa ka ny 7%-n’ny fahafatesana no avy amin’ny 40%-n’ny fiara any amin’ny tany mandroso.
Fepetra fisorohana
Manoloana ireo zava-misy ireo dia hamafisina hatrany ireo fepetra fisorohana ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe. Fepetra lavitr’ezaka mila hapetra, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, ny hahafahana misoroka maharitra ny firongatry ny lozam-pifamoivoizana. Isan’ireo fepetra ireo, araka izany, ny mahakasika ny fanavaozana ny didy aman-dalàna mifehy ny fifamoivoizana. Mbola tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanavaozana sy fampanarahan-dalàna ireny toeram-pampiofanana mahakasika ny fikirakirana fiara ireny. Tsy hadinoina ny eo amin’ny lafiny fanatsarana ny fahazoana ireny taratasy fahafahana mamily ireny.
Mba tsy hahatongavana amin’izay fitrangan’ny loza izay anefa dia miainga avy any amin’ireo mpamily ny fototra amin’ny fisorohana. Noho izany indrindra dia mila manamafy ny fepetra fiarovana izy ireo mialoha ny handraisana familiana. Tafiditra ao anatin’izany fiarovana miainga avy any amin’ireo mpamily izay, araka izany, ny:
-famerana ny fandraisana zava-pisotro mahamamo ho an’ireo mpitondra fiara na kodiarandroa
-famerana ny hafainganam-pandeha
-fampiasana ireo fitaovam-piarovana isan-karazany ho an’ireo kodiarandroa toy ny aro loha
-fahaizana mitondra
-fahafehezana ireo lalàna mifehy ny fifamoivoizana
-fikojakojana sy fanaraha-maso ny fitaovana…
Amin’izao firosoana ao anatin’ny fotoam-pahavaratra izao moa, heverina ho antony iray hafa mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ny fahabetsahan’ny rotsakorana. Noho izany indrindra dia hamafisina ny fanentanana amin’ireo mpamily rehetra mba hitandrina amin’ny tsy fahampian’ny fahitana vokatry ny rotsakorana be loatra, ny lalana malama, fihotsahan’ny tany, na ny fiakaran’ny rano. Ilaina fitandremana ihany koa ny fahatapahan’ny hazo ao anaty arabe, ny fandehanana mafy loatra, ary ny havizanana vokatry ny tsy fahatomombanan’ny dia eny an-dalana.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.




