Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
LOZAM-PIFAMOIVOIZANA AN-DRANOMAMY: Sambo nitondra mpandeha nihotsahan’ny tany, 18 namoy ny ainy
Kanoto reziky nitondra mpandeha ampolony avy any Belo Tsiribihina ho any Anakalalobe no niharan-doza nihotsahan’ny tany amin’ny sisin-drano, izay voasarona tanteraka. 18 no namoy ny ainy, raha 10 kosa avotra soa aman-tsara, ary mbola mitohy ny fikarohana ireo tsy hita. Nitondra entana 4 taonina sy razana kesika roa hoentina any amin’ny Kaominina Belinta ity sambo niharan-doza ity. Mandeha ny fanadihadiana…
Nitrangana loza an-dranomamy nahatsiravina afakomaly alina, tokony tamin’ny 10 Ora alina. Araka ny angom-baovao, azo tamin’ny antso an-tariby avy amin’ny sefo fokontany Tsaraotana, fa nisy tranga lozam-pifamoivoizana an-dranomamy ao an-toerana. Kanoto Reziky avy ao Ankalalobe, Distrikan’i Belo/Tsiribihina io niharan-doza io. Io sambo io dia avy any Belo/Tsiribihina ho any Ankalalobe. Tokony ho teo amin’ny 10 ora alina izy ireo no tonga niantsona tao Tsaraotana, saingy tratran’ny tsy nampoizina tampoka. Nihotsahan’ny tany amin’ny sisin-drano ambonin’ny kanoto ary voasarona tanteraka. Io sambo io dia nitondra entam-barotra efatra taonina sy olona ampolony. Niisa 16 ireo namoy ny ainy ka sivy vavy ary fito lahy. Niampy roa izany, raha ny tarehimarika azonay farany omaly, izany hoe, tafiakatra 18. Roa amin’ireo vavy maty ireo dia zaza eo amin’ny sivy 09 taona ny iray sy dimy volana ny faharoany. Folo no isan’ny velona sy avotra soa aman-tsara. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo mbola tsy hita popoka.
Araka ny angom-baovao hatrany, dia nitondra razana kesika roa, izay hoentina any amin’ny Kaominina Belinta ity sambo nihotsahan’ny tany ity. Ireo olona efatra nitondra an’ireo razana ireo, maty daholo. Tiana ny manamarika fa efa nisy fianakavian’ireo namoy ny ainy naka ny faty miisa fito. Ny mpitondra ny kanoto, sy ny mpanampy aminy roa kosa, avotra soa aman-tsara fa ny iray no maty. Nakarina ao min’ny Biraon’ny fokontany ny razana, izay tsy mbola nisy naka. Efa nisy, araka izany, ny fiantsoana mpitandro filaminana. Ny entan’ny mpandeha moa dia nambenan’ny zandary, avy amin’ny Zana-tobim-paritra Tsaraotana sy ny Kalony. Nampahafatarina izao loza izao avokoa ireo tomponandraikitra isan-tokony any an-toerana, ka isan’izany ny sefo distrika. Mandeha ny fanadihadiana momba ity loza nanjo ity kanoto ity sy ny mombamomba ireo olona namoy ny ainy ireo.
Rado Harivelo



