Songadim-baovaoSosialy

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA ATERAKY NY HAMAMOANA: Tranga 06 niseho tao anatin’ny faran’ny herinandro, iray nahafatesan’olona

Maro loatra ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny tsy fitandremana toy ny fahamamoana eo am-pamiliana tato ho ato. Anisany nanamarika ny faran’ny herinandro lasa teo izany. Nisy ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana sy naharatrana olona, ary nahasimbana fananana. Tsy mitsaha-manentana ny mpamily ireo tompon’andraikitra mba hisorohana ny loza…

Trangana lozam-pifamoivoizana iray no nandosirana mpamily taorian’ny loza nafitsony, teny By-pass, ny andron’ny alahady lasa teo. Noho ny hakingan’ny Polisy anefa, dia voasambotra ihany ity farany. Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ity niseho teny By-pass ity, tokony ho tamin’ny 05 ora sy 45 minitra hariva, teo akaikin’ny fivoahana ny Espace Rose. Vokatry ny fifandonana teo amin’ny fiara sy kodiaran-droa dia naratra mafy ilay mpitondra “moto” ary noentina haingana tany amin’ny hopitaly HJRA mba hahazo fitsaboana, saingy tsy tàna ny ain’ity farany vao tonga teny an-toerana. Nandositra ilay mpamily fiara taorian’ny loza. Teo anatrehan’izany anefa, dia nanao ny asany avy hatrany ny Polisy miasa ao Tanjombato, ary tamin’ny 06 ora sy 30 minitra ny harivan’iny ihany dia tratra teo Andohavato ity farany sy ny fiara tentiny. Heno tao anatin’izany fa namofona toaka ilay mpamily, ary nosokafana avy hatrany ny fanadihadiana mahakasika ity loza mahatsiravina nahafatesan’olona ity.

Ankoatra ity lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona teny By-pass ity, dia fantatra fa lozam-pifamoivoizana miisa 06 hafa ihany koa no niseho tamina toerana samihafa teto an-dRenivohitra, ny sabotsy 16 sy ny alahady 17 martsa lasa teo. Izany dia naharatrana olona sy nahasimbana fananana avokoa, vokatry ny fahamamoana be loatra teo am-pamiliana fiara sy kodiaran-droa, raha ny angom-baovao voaray teo anivon’ny Polisim-pirenena. Ny 16 martsa fotsiny, dia lozam-pifamoivoizana miisa 05 no nitranga, izay nahitana faharatrana sy fahasimbana fananana, teny Manakambahiny, Ambatoroka, Soanierana, Andohan’Analakely. Ny 17 martsa teny amin’ny Rasalama. Ny tompon’andraikitra izay tsy mitsaha-manentana sy mampitandrina fa tsy hifanindran-dalana mihitsy ny familiana fiara na kodiaran-droa sy ny alikaola, ka mila miaro ny ainy sy ny hafa ny rehetra amin’ny alalan’ny fifehezan-tena sy ny fitandremana.

Efa maro ireo hetsika nanaovana fampahafantarana sy fampahatsiahivana notanterahin’ny Polisim-pirenena niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra samihafa misahana ny fitaterana raha ny teto Antananarivo Renivohitra. Nanomezana toromarika sy fampitandremana ho an’ireo hita fa mitady hihoa-pefy. Nisy tamin’izany ny fampiasana “alcootest”, saingy vao miha nirongatra izany raha vao nangina kely indray. Tsy maintsy andrasana toy ny omby hatrany ve, sanatria, vao hanara-dalàna eto?

Maro koa ireo fanehoan-kevitra voaray tetsy sy teroa, izay tokony hanamafisana ny fisavana mpitondra fiara, sy ny fanaovana “alcootest”, fa indrindra manomboka ny zoma sy ny faran’ny herinandro. Tokony hamafisina araka izany, ny fanentanana ireo olona mba tsy hitondra fiara na kodiaran-droa rehefa avy nisotrosotro, ary hirosoana avy hatrany ny fanasaziana ho an’izay minia mandika ny lalàn’ny fifamoivoizana.

 

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer