Songadim-baovaoSosialy

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA ETO AN-DRENIVOHITRA : Tranga 27 tao anatin’ny herinandro, vokatry ny tsy fanarahan-dalàna sy fahamamoana

Tranga 27 be izao no nisy tao anatin’ny herinandron’ny 24 hatramin’ny 30 martsa lasa teo, raha ny lozam-pifamoivoizana no anisan-teny. Faharatrana olona no maro, raha nisy famoizan’aina. Ny tsy fahafehezana na tsy firaharahiana lalàn’ny fifamoivoizana, ary indrindra ny fahamamoana eo am-pandraisana familiana no antony…

Raha ny antontanisa voaray teo anivon’ny Polisim-pirenena, dia miisa 27 ireo trangana lozam-pifamoivoizana niseho teto an-dRenivohitra, nanomboka ny 24 ka hatramin’ny 30 martsa 2025. Ny 02 tamin’izany dia nahafatesana olona, izay voalaza fa loza tsotra tsy nisy fitsoahana na fahamamoan’ny mpamily. Ny 20 dia loza naharatrana olona, ka 15 tamin’izany no tsotra, raha 05 nahitana fahamamoana, ka 26 ny olona naratra tao anatin’izany. Ny 05 farany tamin’ireo lozam-pifamoivoizana nitranga kosa, dia nahasimbana fananana, ka loza tsotra 03, raha nahitana fahamamoana ny 02 ambiny. Manoloana izany, dia nisy ny fanentanana sy toromarika nomen’ny Kaomisaria Foibe etsy Tsaralalana, ny Commissaire Principal de Police, Razafindahy Manitra Fleurys, mba hitandreman’ny mpampiasa lalana rehetra. Fantatra tao anatin’izany, fa anisany antony mahatonga ny lozam-pifamoivoizana eto dia voalohany ny tsy fanajana ny Fitsipika mifehy ny fifamoivoizana, ny fandehanana mafy, ary ny fisotroana alikaola ho an’ny mpitondra kodiaran-droa na fiara. Matetika ny lala-mahitsy no tena hitrangana lozam-pifamoivoizana, toy ny eny Tsarasaotra, ary iny faritr’i By-Pass iny.

 

Tsy natao hianarana fotsiny

 

Nambaran’ity tompon’andraikitra, fa ny Fitsipika mifehy ny fifamoivoizana dia tsy natao hianarana fotsiny fa natao indrindra hampiharina hisian’ny fandrindrana eny an’arabe. Matetika mantsy dia ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola alohan’ny hamiliana, na io kodiaran-droa na fiara, izay matetika miteraka loza ho an’ny tenan’ny mpitondra azy sy izay miaraka aminy, na miteraka faharatrana sy fahasimban-javatra. Eo ny fifanenan’ny fiara samy fiara na kodiaran-droa sy fiara. Nohamafisiny koa, fa ny fitsipika dia natao ho an’ny rehetra, mba hifampitsinjovana ny aina. Anisan’izany ny fanaovana aroloha dia fiarovana ny loha raha sendra lozam-pifamoivoizana. Tokony hatao an-tsaina mandrakariva, hoy izy, fa ny fanajana ny lalàn’ny fifamoivoizana dia fitandroana ny tena sy ny hafa mpampiasa lalana. Ny Polisim-pirenena dia tsy mitsahatra manentana hatrany, dia ireo miasa an-kianja miaraka amin’ny sampan-draharaha eo anivon’ny fitaterana, izay samy manome toromarika mandrakariva hisorohana ny loza. Tanjona voalohany amin’izany ny fiarovana ny tsirairay mpampiasa lalana, ary faharoa ny fitsinjovana ny mpampiasa  lalana, ary koa ny fitandroana ny fananana. « Ny fahasahiranana tsy ho an’izay iharan-doza fotsiny intsony, fa ho an’ny fianakaviany, ka tokony hatsahatra ny toaka alohan’ny hamiliana fa indrindra ny kodiaran-droa. Rehefa misotro tsy tokony hitondra fiara na moto ». Nisy ny fidinan’ny Kaomisera Foibe ity teny Anosy, omaly, izay anisany be fitohanan’ny fifamoivoizana noho ny fijanonan’ireo taksibe maharitra amina toerana fijanonana.

Notsiahiviny tamin’izany, fa ny arabe dia natao ho an’ny rehetra fa tsy ho an’ny taksibe irery ihany. Rehefa tafidina ny mpandeha na tafakatra ny fiara dia tokony hiala ny fiara mpitatitra. Fantatra, fa hatrany amin’ny sekoly Masina Misely ny fitohanana manomboka eo Anosy, noho io fijanonan’ny taksibe maharitra minitra maro eo amin’ny « Arrêt » io.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer