Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA RN7 : Fiara 4×4 nivarina tanaty hantsana, iray namoy ny ainy, efatra naratra

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Ambalakely, ao anatin’ny distrikan’i Lalangina, ao amin’ny lalam-pirenena fahafito, PK 399+200, afakomaly. Fiara 4X4 iray marika rexton  nentin’ny  Mpiasan’ny banky iray ao Tsianolondroa, nanao fety  fiarahabana tratry ny taona vaovao tao amin’ny toerana atao hoe « Picnic Vohimasina », saika ho any Ambalakely hividy zava-pisotro, no niala lalana vokatry ny fandehanana mafy. Vokany, nivarina tany amin’ny hantsana sahabo ho 32 metatra amin’ny havian-dalana, rehefa avy nandona vodimanga. Vokany, Olona iray no namoy ny ainy, efatra no naratra, izay samy nentina tao amin’ny Hopitaly Tambohobe avokoa. Nahitana fahasimbana goavana  ny fiara. Lefitry ny talen’ilay banky ao Tsianolondroa, no nitondra ny fiara tamin’ny fotoan’ny loza, izay hany sisa tavela manaraka fitsaboana ao amin’ny hôpitaly, fa ny ambiny kosa, tsy nanahy loatra ka efa navoaka. Mitohy ny fanadihadiana momba ity lozam-pifamoivoizana ity.

Dimy hafa naratra…

Mbola nisehoana lozam-pifamoivoizana koa tany amin’ny lalam-pirenena fahafito iny, omaly, tamin’ny 7 ora maraina teo, izay nitranga tao Ambohimaha, fokontany Tambohivo, kaominina ambanivohitra Alakamisy Ambohimaha, distrikan’i Lalangina, teo amin’ny RN7 PK 379+100. Fiara mpitatitra olona iray marika mercedes Benz sprinter, ana koperativa Sonatra Plus avy aty Antananarivo hihazo an’i Fianarantsoa no nidaboka amin’ny sisin’arabe amin’ny havian-dalana, vokatry ny torimaso fotsy rehefa nidina fidinana. Nahitana fahasimbana ny fiara ary nisy maratra dimy, izay efa nentina namonjy hopitaly avokoa. Isan’ireo dimy naratra tao anatin’ity taksiborosy ity ny mpianatra monina ao Andrainjato, ny filohan’ny Pac ao Fianarantsoa. Ny telo voalohany tsy dia nanahy loatra ka efa navoaka ny hopitaly. Matetika mitera-doza ny tsirambina ataon’ny mpamily, indrindra  ny fahasahiana manao dona miverina na tsy ampy torimaso, ka mahatonga ny torimaso fotsy, izay miteraka loza tahaka izao. Ny lalàna dia milaza fa tomponandraikitra tanteraka ny mpamily amin’ny fiara entiny. Mila avahana tsara ny andraikitry ny fiara izay tsy nisy fitsirihina teknika sy ny andraikitry ny mpamily izay nisetrasetra, na resaka tsy fitandremana, na indraindray tafaraka ireo. Fositra lehibe mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ny fanaovana zavatra mihoatra ny tokony hatao, dia mitera-doza, izay miteraka fandikan-dalàna. Tokony hahasahy hitoroka na tsy manaiky hiray tsikomba amin’ny  fihoaram-pefy tanterahin’ireo mpamily ireo mahita tsy fanarahan-dalàna, indrindra ireo mpandeha.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer