Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA TENY ITAOSY: Natao am-ponja vonjimaika ilay mpilalao sarimihetsika malaza

Taorian’ny fiakaran’ny raharaha lozam-pifamoivoizana nitranga teny Bemasoandro Itaosy, izay mahakasika ny mpilalao sarimihetsika malagasy iray, dia fantatra, fa natao am-ponja vonjimaika eny Antanimora, miandry ny fotoam-pitsarana azy, ity farany. Raha ny vesatra niampangana azy moa, dia fantatra, fa vono olona tsy nahy na tsy niniana natao. Andrasana ny fotoam-pitsarana azy, araka izany. Ity mpilalao sarimihetsika malagasy ity moa, izay fantatra, fa notazonina teny amin’ny mpitandro filaminana teny Itaosy, tamin’ny alalan’ny andrimaso (GAV), ary natao fanadihadiana savaranonando, mialohan’izao nampakarana azy teny amin’ny Fampanoavana izao. Raha tsiahivina moa, dia ny alin’ny sabotsy 10 mey lasa teo, no nisehoan’ity trangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana tovovavy iray ity. Ity farany, izay nentina “moto” avy aoriana, ary lehilahy no namily izany. Rehefa nivoaka teo amin’ny “lavage” anefa izy ireo, no nirifatra mafy avy any ny fiara nentin’ity olo-malaza ity, ary teo no nitrangan’ny loza. Nentina nialana nenina teny amin’ny hopitaly ilay vehivavy fa tsy tàna ny ainy, ny marain’ny alahady 11 mey. Andrasana ny valin’ny fitsarana.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer