PolitikaSongadim-baovao
MADAGASIKARA – INDONEZIA : Hatsangana ny vaomiera itambarana hampiroborobo ny fiarahamiasa
Taorian’ny nampirongatra ny valanaretina Covid-19, nanao tohivakana ny fahatongavan’ireo masoivoho vahiny hiasa sy honina eto amintsika. Tsy vitsy koa ireo tomponandraikitry ny masoivoho efa teto an-toerana ihany no nanao fitsidihana ara-pomba fanajana ireo tomponandraiki-panjakana isan’ambaratongany, ho fanamafisana ny fiarahamiasa. Isan’izany ny avy eo anivon’ny masoivohon’i Indonezia eto amintsika, izay noraisin’ny Praiminisitra omaly.
Mivelatra amin’ny sehatra maro ny fiarahamiasa azon’i Madagasikara sy Indonezia atao. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny varotra, ny fampiasam-bola, ny fananganana fotodrafitrasa, sy ny maro hafa. Tsapa ho tsy voatrandraka, araka ny tokony ho izy anefa ireo nandritra ny taona maro. Tsara ho fantatra fa efa tamin’ny taona 1975 no nisokatra teto amintsika ny Masoivohon’ny firenena indonezianina. Tsikaritra ho somary latsaka anefa ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta, raha mitaha amin’ny fifandraisan’I Madagasikara amin’ny firenen-kafa any ivelany. Nisy, araka izany, ny fihaonana teo amin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governementa Ntsay Christian sy Andriamatoa Benny Yan Pieter Siahaan, tomponandraikitra voalohany amin’ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny masoivohon’ny Repoblika Indoneziana eto amintsika. Nisongadina nandritra ny fihaonana fa vonona handray anjara amin’ny fananganana “commission mixte” na Vaomiera itambarana ho fampiroboroboana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta i Indonésie.
Fitsidihana ara-pomba fifanajana roa sosona
Nifandimby nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fifanajana nihaona tamin’ny Praiminisitra Ntsay Christian tao amin’ny Lapam-panjakanan’i Mahazoarivo ny Ambasadaoron’ny Repoblikan’i Corée, Andriamatoa Son Yong-Ho, sy ny tomponandraikitra voalohany amin’ny fampandehanan-draharaha eo anivon’ny masoivohon’ny Repoblika Indoneziana eto amintsika, Andriamatoa Benny Yan Pieter Siahaan. Nandritra ny fihaonana tamin’ny Lehiben’ny governemanta dia samy nanambara ireto tompon’andraikitry ny masoivoho ireto fa manana ny sehatra maro azo trandrahina amin’ny fiarahamiasa i Madagasikara. Amin’ny maha-Ambasadaoro vaovao an’ Andriamatoa Son Yong-Ho dia naneho ny fahafaham-pony momba ny fifanakalozana omaly ny tenany satria nahafahan’ny roa tonta nanomana ny hisian’ny fiaraha-miasa atsy ho atsy izany, ka hotohizana ny fanatanterahana ireo fikasàna amina tetikasam-piaraha-miasa efa niaraha-namolavola tamin’ny Governemanta malagasy. Antenaina, hoy izy, fa hitondra voka-tsoa ho an’i Madagasikara ny fifandraisana amin’i Corée.




