KolontsainaSongadim-baovao
MADAGASIKARA SY LAFRANTSA : Miroso ny dingana fampodiana ny Kabeson’ny Mpanjaka Toera
Andalam-pahatanterahana ankehitriny ny dingana amin’ny fampodiana an-tanindrazana ny Kabeson’ny Mpanjaka Sakalava Toera, araka ny fampanantenan’ny Filoha Andry Rajoelina. Omaly, nihaona indray tamin’ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny Fitaleavana Ankapobeny misahana an’i Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana, eo anivon’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny frantsay, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo.
Ho fanohizana ny dingana ara-diplomatika ataon’ny Fanjakana Malagasy ho famerenana ny Kabeson’ny Mpanjaka Sakalava Toera, dia nisy ny fihaonana ara-teknika nifanaovan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, tamin’Atoa Christophe Bigot, tompon’andraikitra voalohany amin’ny Fitaleavana Ankapobeny misahana ny Afrika sy Ranomasimbe Indiana sy ny mpiara-miasa aminy, eo anivon’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny frantsay tany Quai d’Orsay, Paris Frantsa. Ity fihaonana ara-teknika natao omaly Zoma 21 oktobra 2022 ity, dia tohin’ny dinika teo amin’ny Masoivoho Frantsay vaovao sy Ramatoa Minisitra tamin’ny herinandro lasa, araka ny tatitra.
Miroso amin’ny fijerena ny pitsopitsony araka ny lalàna ny firenena roa tonta, ahafahana manatanteraka izany fampodiana ny Kabeson’ny Mpanjaka Toera izany, raha ny fanazavana. Ankoatra ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny frantsay dia miara-misalahy amin’ny fifampidinihana samihafa atao koa ny Minisiteran’ny Fikarohana ara-tsiansa sy ny Minisiteran’ny Kolontsaina Frantsay, araka ny angom-baovao hatrany.
Efa vita ny dingana voalohany
Raha tsiahivina, tamin’ny Novambra 2021, dia noraisin’ny Talen’ny Musée de l’Homme- Museum National d’Histoires Naturelles, Paris Frantsa sy ny mpiara-miasa aminy ny delegasiona malagasy notarihin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo. Nivoitra tao anatin’izany fa efa vita tanteraka ny dingana voalohany rehetra izay efa nahitana fahombiazana hatreto, dia ny fakana singa ADN avy amin’ny taolambalon’ny Mpanjaka taty Madagasikara sy avy amin’iray amin’ireo Kabeso izay heverina fa an’i Mpanjaka Toera, tehirizina ao amin’ny Musée de l’Homme Paris, Frantsa. Teo koa ny fanatanterahana ny dingana faharoa izay nataon’ireo mpikaroka siantifika ao amin’ny Musée de l’Homme, dia ny fitrandrahana ireo singa ADN ireo, mba hahafahana miroso amin’ny dingana fahatelo farany dia ny fampitahana ireo singa ADN eo am-pelatanana mba hahazoana antoka tsara fa tena ny Kabeson’ny Mpanjaka Toera tokoa no hampodiana aty Madagasikara.
Tantara manamarika ny vahoaka Sakalava
Tsara ho fantatra fa ny Mpanjaka Toera dia isan’ireo nanohitra fatratra ny mpanjanaka tamin’ny fotoan’androny, ary notapahin-doha ka nosarahina tamin’ny vatany tamin’ny andro nanafihan’ny frantsay an’i Madagasikara ka nahalasa zanatany antsika.
Araka ny fanazavan’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, dia tantara manamarika ny vahoaka Sakalava nandritra ny vanim-potoana maro ny momba ny Mpanjaka Toera, ka tsy nahagaga, hoy izy, rehefa nanambara ampahibemaso ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina tamin’ny 6 novambra 2020 teny amin’ny Rovan’i Madagasikara fa hifampidinika amin’ny firenena frantsay koa isika mba hampodiana io kabeso io, dia latsa-dranomaso noho ny hafaliany be loatra ny Mpanjaka Sakalava izay nanatrika teo, ka velom-pisaorana feno ny Filohan’ny Repoblika. Raha ny fanazavana hatrany dia voatahiry ao amin’ny Musée de l’Homme ao Paris Frantsa mandrak’ankehitriny Io kabeson’ny Mpanjaka Toera io, izay tena singan’ny kolontsaina tanteraka ary maha-izy azy ny vahoaka Sakalava iray manontolo, ka zava-dehibe loatra amin’izy ireo ny fahafahana mamerina izany eto an-tanindrazana indray. “Tsy azo hadinoina fa ampahany betsaka amin’ny Malagasy amin’ny ilany andrefana sy avaratra andrefan’ny Nosy dia saika Sakalava avokoa. Tantaran’izy ireo ka tsy azo ambaniana na atao tsinotsinona izany mikasika ny Kabeson’ny Mpanjaka Toera izany ary efa an-jato taonany no niandrandra ny fiverenan’io Kabeson’ny Mpanjaka Toera io izy ireo”, hoy hatrany ny Minisitra.



