Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
MADAGASIKARA TANY AMIN’NY “CJSOI”: Nandrombaka medaly miisa 49, volamena ny 15
Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy lasa teo ny andiany faha-13 amin’ireo lalaon’ny Vaomeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena aty amin’ny Ranomasimbe Indianina (CJSOI), notanterahana tany Seychelles nandritra ny 9 andro. Nahatratra 1 147 ireo tanora nandray anjara tamin’izany, avy amin’ireo firenena miisa 7 izay mandrafitra ny CJSOI. Taranja 11 no nifaninanana ka nampiavaka ny tamin’ity taona ity ny E-sport izay nahazoan’i Madagasikara medaly miisa 3: volamena ho an’ny isan-tarika, volafotsy ho an’ny sokajy zazalahy, ary alimo ho an’ny vehivavy. Raha ny filaharana dia nipetraka ho eo amin’ny loha-lisitra ry zareo avy atsy La Réunion. Nahazo medaly miisa 138 ka volamena ny 59, volafotsy ny 49 ary alimo ny 30. I Maurice no eo amin’ny laharana faharoa izay nahazo medaly miisa 124: volamena miisa 52, volafotsy 43 ary alimo miisa 29. Eo amin’ny laharana fahatelo kosa no misy an’i Madagasikara. Ary fahefatra aoriantsika i Seychelles izay nahazo medaly miisa 12, eo alohan’i Djibouti, Comores ary Mayotte izay samy nahazo medaly miisa 7.
Ho an’i Madagasikara manokana dia azo lazaina fa tsara ny vokatra nentin’ireo delegasiona miisa 119 avy any Seychelles. Medaly 49 no azo avy amin’ny fandraisana anjara tamin’ireo taranja toa ny lomano, athlétisme, fibatana fonjamby, basketball, volley-ball, football, ary ny fampandraisana anjara ny tanora. Volamena ny 15 amin’ireo medaly nahorintsika ireo, volafotsy ny 19 ary mbola 15 ihany koa ny medaly alimo. Ny tao amin’ny fibatana fonjamby no tena nanasongadina ny atletantsika satria nahafahana nandrombaka medaly volamena miisa 9. Nitondra ny teny fiarahabana ho an’ireo atleta malagasy izay mamiratra tany amin’io CJSOI io moa ny Filohampirenena Andry Rajoelina omaly. “Reharehantsika ireo tanorantsika, manandratra avo hatrany ny hambompom-pirenena”, hoy ny nambarany. Fantatra fa i Djibouti indray hampiantrano ny lalaon’ny CJSOI andiany faha-14 amin’ny taona 2029.
S.S




