Fanadihadiana ManokanaToekarena
MAHAJANGA, SAINTE MARIE, TOLIARA: Toerana 3 mahasarika ireo mpizahatany anatiny eto Madagasikara
Ankoatra ny fizahantany avy any ivelany dia isan’ny miroborobo ankehitriny ihany koa ny fizahantany anatiny, hoy ireo mpisehatra. Endrika mahazo vahana ankehitriny ny fanaovana fitsidihana voaomana na “voyage organisé”. Toerana 3 mahasarika mpizahatany anatiny betsaka indrindra eto Madagasikara i Mahajanga, Sainte Marie, ary Toliara.
“Tena sehatra fanoitra amin’ny fampandrosoana ny fizahantany”, hoy ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana Viviane Dewa. Asa mivantana mihoatra ny 350 000 ary asa tsy mivantana mihoatra ny 30 tapitrisa no aterak’izany. Eo amin’ny lafiny fampidiram-bola vahiny dia nanazava ny Minisitra fa mitana ny laharana fahatelo ny fizahatany, aorian’ny harena an-kibon’ny tany sy ny entana fanondrana. Tamin’ny taona 2023 mantsy dia nampiditra vola mitentina 535 tapitrisa euros ny fizahantany teto Madagasikara. Ankoatra ny fizahantany avy any ivelany, afaka hivoarana tsara ihany koa ny fampiroboroboana ny fizahantany anatiny. Mifandray amin’izany indrindra no nanamafisan’ny Minisitra ny fanentanana fa tsara i Madagasikara ka isika eto an-toerana no mila mijery sy mahafantatra izany voalohany. Manodidina ny 2 tapitrisa eo amin’izao fotoana ireo Malagasy vonona sy afaka manao fizahantany anatiny eto amintsika. Ho fampiroboroboana io fizahantany anatiny io no antom-pisian’ny hetsika “Tsenaben’ny fizahantany” andiany faha-8, atao ao amin’ny kianja Barea nanomboka tamin’ny alakamisy teo ary hifarana amin’ity anio ity. Antom-pisiana sy tanjona amin’ny fikarakarana io hetsika io, noho izany, hisarihana sy hamporisihana amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany anatiny.
Liana amin’ny fanaovana fitsidihana voaomana
Mivoatra hatrany io tontolon’ny fizahantany anatiny io, hoy ireo mpisehatra amin’izany. Endrika fizahantany anatiny mahazo vahana ankehitriny ny fanaovana fitsidihana voaomana na “voyage organisé”. Araka izany, fitsidihana iraisana olona maromaro ny “voyage organisé”, ivondronana olona miisa 14 farafahakeliny. Tombony maro no azo amin’ny fisafidianana io endrika fitsidihana io. Misy mpitaridia matihanina miaraka amin’ireo mpitsidika. Izany hoe tsy voatery manao fialan-tsasatra fotsiny ihany fa sady mahazo fahalalana ihany koa ireo mpitsidika. Raha ny zava-misy mantsy dia ireo mpizahatany avy any ivelany indray no mahafantatra bebe kokoa ny tantara eto amintsika mitaha amin’ireo mpizahatany anatiny. Tombony hafa ihany koa ny hoe ireo mpikarakara efa mahafantatra ny toerana tsara tsidihana, hotely sy sakafo tsara ka tsy mila misahirana betsaka intsony ireo mpitsidika. Mitovy amin’izay ihany koa ny lafiny fitaterana.
Iray amin’ireo mpanome tolotra amin’ny fanaovana fitsidihana voaomana ho an’ny mpizahatany anatiny io moa ry zareo avy ao amin’ny “Vakansy Tsara sady Mora”, tato anatin’ny 7 taona izao. Nambaran’i Rojo Ratsimba izay tompon’andraikitra ao amin’izany orinasa izany fa mitombo hatrany ny Gasy liana amin’ny fanaovana io fitsidihana voaomana io, mitaha ny tany amin’ny 5 taona lasa. Nohazavainy fa anton’izany ny hoe miezaka mampahafantatra toerana hafa tsaratsara kokoa hatrany, tsy mbola misy mpahita, ireo mpikarakara fitsidihana voaomana ka mahasarika mpanjifa. Toerana mahazatra ireo mpanao fialan-tsasatra teo aloha ny mandeha any Mahajanga sy Toamasina. Efa tonga saina anefa izy ireo ankehitriny fa maro ireo toeran-kafa miavaka sy manana ny maha izy azy, indrindra ny any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny.
Rehefa izany, nanazava i Rojo Ratsimba fa toerana 3 voalohany ankafizin’ireo mpanaio fizahantany anatiny mpanjifan’izy ireo ny any Mahajanga, Sainte Marie, ary ny any Toliara. Manazava ny anton’ny safidy mahakasika an’i Mahajanga ny hoe mora kokoa ny fandaniana any ary misy toerana hafa maro azo tsidihana ankoatra ny eny amin’ny “Bord” sy ireo toram-pasika. Ho an’i Sainte Marie indray, toeram-pitsidihana vaovao ho an’ireo mpiala sasatra izy ka matetika mametraka fitokisana amin’ireo mpikarakara fitsidihana voaomana ireo mpitsidika. Toerana betsaka mpisafidy tato ho ato ihany koa ny any Toliara. Tsara toerana manodidina ary manana harena voajanahary maro ny any Atsimo, indrindra ireo valanjavaboary. Araka izany, manodidina ny 200 eo ireo olona efa nanjifa ny tolotry ny “Vakansy Tsara sady Mora” nandritra ity taona ity. Manomboka amin’ny 508 000ariary isan’olona mandritra ny 4 andro ny saran’ny tolotra farany ambany ary mahatratra 1 370 000ariary ny tolotra farany ambony isan’olona, fitsidihana mandritra ny 8 andro.
FANATSARANA KALITAO
Iankinan’ny fampiroboroboana ny asa tanana
Sehatra iray hafa mifameno amin’ny fizahantany ny asa tanana. “Toy ny mpirahalahy mianala izy ireo”, hoy ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa Tanana Viviane Dewa. Ny fizahantany manome lalam-barotra ny asa tanana, ary ny asa tanana dia mampihaina ny fizahantany. Rehefa izany dia sehatra anisan’ny mamelona ankohonana maro eto amintsika ihany koa ny asa tanana. Raha ny antontanisa farany dia mihoatra ny 2,5 tapitrisa ny isan’ireo mpanao asa tanana eto Madagasikara. Asa maharitra sy mahavelona tsar any asa tanana. “Tsy mitsahatra ny miakatra hatrany tombony azo amin’ny fondranana any ivelany ireo asa tanana malagasy teo anelanelan’ny taona 2021 sy 2024”, hoy ny tompon’andraikitra. Izany hoe vola mihoatra ny 15 tapitrisa euros no niditra tamin’ny taona 2021 ary tafakatra 32 tapitrisa euros izany tamin’ity taona ity. Izany hoe niakatra avo roa heny ny tahan’ny fanondranana asa tanana.
Tsy tongatonga ho azy anefa izany vokatra izany fa misy ny ezaka natao. Ezaka mifototra amin’ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ireo asa tanana. Vavolombelon’izany fanatsarana kalitao izany ry zareo avy ao amin’ny Cocobe, orinasa mifototra amin’ny famokarana poketra, kojakoja ho an-dehilahy sy vehivavy vita avy amina lamba tenona sy oditra. Araka ny fanazavan’i Rakotozafy Randriamahazomanana Ianja izay mpamorona ny Cocobe dia nataon’izy ireo laharam-pahamehana hatrany izay fitsinjovana ny kalitao izay. Matihanina manana traikefa efa maherin’ny 20 taona ireo mpanao asa tanana miara-miasa amin’izy ireo. Misy fitsipika sy fanatsarana hapetraka ihany koa mba hahatonga ireo vokatra hahasarika mpanjifa hatrany ivelany. Mbola nohazavain’i Ianja avy ao amin’ny Cocobe hatrany fa noho ny fitsinjovana io kalitao io no mahatonga azy ireo tsy hiazakazaka amin’ny famokarana betsaka fa hifototra kokoa amin’ny fanomezana vokatra tsara kalitao. Manampy izany ny hoe elaela kokoa ny fanenonana ireo lamba havadika ho poketra ka ela manaraka izany ihany koa ny famokarana. “Ny kalitaon’ny asa tanana malagasy dia afaka ny ho tsara sy mivoatra hatrany”, hoy ny fanehoan-kevitra. Izany hoe iankinan’ny fampiroboroboana ny lafiny asa tanana io fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra io. Noho ny fampiharana izay lalan-tsaina izay dia efa manana lalam-barotra any ivelany sahady ny Cocobe na dia vao 3 taona nisiana monja aza. Poketra sy kojakoja manodidina ny 10 isam-bolana eo no aondran’izy ireo any ivelany. Manatombo ka manodidina ny 50 isam-bolana kosa ny vokatra lafo eto an-toerana. Manaporofo hatrany izany fa mahasintona mpanjifa betsaka rehefa entana tsara kalitao.
Isan’ireo mandray anjara amin’ny hetsika “Tsenaben’ny Asa Tanana” andiany voalohany tanterahana eny amin’ny Kianja Barea moa ry zareo avy ao amin’ny Cocobe.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.




