PolitikaSongadim-baovao

MAHARANTE JEAN DE DIEU : Tsy mahazo mivoaka ny sisintanin’i Madagasikara

Araka ny fampitam-baovao voaray omaly dia namoahan’ny Minisiteran’ny Atitany didy tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara na IST ny Minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny haitao ara-kajy mirindra teo aloha Atoa Maharante Jean de Dieu. Raha tsiahivina, nody teto an-tanindrazana ny tenany ny 16 aogositra teo, rehefa nanao sesitany ny tenany tany ivelany nanomboka ny taona 2019. Raharaha lehibe miisa roa no maha voasaringotra ity olon’ny Fitondrana teo aloha ity, dia ny raharaha fanodinkodinam-bola 5 miliara Ar teo anivon’ny ARTEC sy ny raharaha tsenambaro-panjakana noforonina mitentina 700 tapitrisa ariary, izay mifandraika amin’ny fanomezana fitaovana informatika ny « Centre » ao Fianarantsoa.

Taorian’ny fanadihadian’ny BIANCO no nandraisana izao fepetra izao, araka ny tatitra hatrany. Andrasana noho izany izay mety ho tohin’ny raharaha. Marihina fa i Maharante Jean de Dieu dia isan’ireo olona ambony tsarain’ny Fitsarana Avo na ny HCJ. Izany hoe, ny Vaomiera misahana ny fiampangana eo anoloan’ny Fitsarana Avo, eny amin’ny Antenimieram-pirenena, no mandinika ny dosie momba ity mpanao politika ity, ka mandray ny fanapahan-kevitra mifanaraka amin’izany amin’ny fotoam-pivorian’ny Depiote, ao anatin’ny fivoriana azon’ny Besinimaro atrehina.

Fermer