PolitikaSongadim-baovao

MAHINA NOHO NY FANDIKAN-DALÀNA: Nisitri-belona koa i Guy Maxime Ralaiseheno

Nitovy tsy misy valaka tamin’ny nataon’Andrianjato Vonison nanomboka ny herinandro lasa teo, ny nataon’ingahy Guy Maxime Ralaiseheno, rehefa nampanantsoin’ny Sampana fikarohana heloka bevava avy amin’ny zandarimariam-pirenena eto amin’ny fari-piadidian’Antananarivo. Nisitri-belona ary tsy hita popoka izay nalehan’ity mpanao politika ity. Ary efa andro maromaro ny tenany no tsy nody tao an-tranony intsony, araka ny loharanom-baovao mari-pototra.

Nampanantsoin’ny Sampana fikarohana heloka bevava avy amin’ny zandarimariam-pirenena eto amin’ny fari-piadidian’Antananarivo amin’ny maha olona ahiahiana ho nanely vaovao manohitohina ny filaminam-bahoaka, izay mety hitarika amin’ny fankahalana ireo mpitondra Fanjakana, i Guy Maxime Ralaiseheno, saingy tsy nipoitra. Araka ny fantatra, efa nisy ny “Soit transmit no 011-PRT/CF/21” ny 12 febroary 2021 avy amin’ny fitoriana nataon’ny Tale misahana ny lalàna sy ny fifanolanana (DLC). Teo anatrehan’izany, ny “Cellule mixte d’enquete” no manao famotorana.

Raha ny fanadihadiana, ny alahady no naterin’ny zandary tany an-tranony Ambohidavenona eny amin’ny kaominina Ampitatafika ny fiantsoana azy. Nilaza ny vadiny fa efa ho 20 andro izay tsy nody tao amin’ny trano fonenany ity mpanao politika ity. Omaly tsy nipoitra  ingahy Guy Maxime Ralaiseheno fa nisitrika toa an’Andrianjato Vonison. Tamin’ny alalan’ny antso an-tarobia no nidirany tao amin’ny fandaharana izay iarahany amin-dry Me Hanitra Razafimanantsoa sy ry Fidele Razarapiera. Anisany nambarany tao anatin’izany fa Fanjakana tsy mba mitodika mankany amin’ny zo fototra hananan’ny vahoaka no misy ankehitriny. Fanambarana izay diso tanteraka satria tsy mbola nisy fanakanana olona tsy hiteny sy haneho hevitra mihitsy teto, izay zo fototra tian’ingahy Guy Maxime Ralaiseheno ambara. Saingy ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra dia voafetran’ny fanarahan-dalàna. Dikany, tsy maintsy hampiharana ny lalàna izay mihoa-pefy. Omaly dia fantatra fa nitety ireo onjampeo andrenesana azy ny avy amin’ny zandary nanatitra dika mitovin’ny fiantsoana azy, raha ny loharanom-baovao azo antoka.

Mahana angamba ….

Tsy mahagaga ny tsy fisehoan’I Guy Maxime Ralaiseheno teny amin’ny tobin’ny zandarimariam-pirenena teny fiadanana, satria hainy tsara fa nandika lalana izy. Tsy indroa na in-telo ity ben’ny tanan’Ankaraobato teo aloha ity no niantso ny vahoaka hikomy tamin’ireo fandraisany fitenenana tao amin’ireo onjam-peon’ny mpanohitra. Tamin’ny fotoana sasany dia efa nihoatra ny fefy mihitsy ny fanehoan-keviny tao amin’izany fandaharana izany. Ny fefy tsy tokony hihoarana izay mazava tsara anefa anatin’ny Lalàmpanorenana, dia fitandrona ny filaminam-bahoaka sy ny maha iray tsy mivaky ny firenena. Tsiahivina fa nisitri-belona toy izao koa Andrianjato Vonison rehefa nampanantsoin’ny zandary taorian’ny fiantsoana ny zandary tsy handray baiko amin’ny SEG izay nataony.

1 hatramin’ny 5 taona

Mazava tsara ny voalazan’ny andininy 91 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana, :  » ny fikonokonana hetsika hanohitohina ny filaminam-bahoaka, ka mety hiteraka korontana politika lehibe, na mety hiteraka fankahalana ny Governemanta na mampirisika ny olona handika lalàna dia voasazin’ny lalàna 1 ka hatramin’ny 5 taona antranomaizina…« . Tsy azo eritreretina mihitsy, noho izany, hoe ingahy Guy Maxime Ralaiseheno no tsy hahafantatra ny fisian’izany andininy izany. Efa nanana fahasahiana nilaza sy nanao teny tsy voahevitra tao amin’ny onjampeo, noho izany, ny tenany, dia tokony hahasahy hiatrika hatramin’ny farany fa tsy hanao ankisitrika tahaka izao.

Ny Fanoratana.

Araka ny vaovao farany voaray omaly, dia voaantso hatao fanadihadiana eny amin’ny Sampana fikarohana heloka bevava avy amin’ny zandarimariam-pirenena eto amin’ny fari-piadidian’Antananarivo, etsy Fiadanana anio maraina amin’ny 9 ora ihany koa i Jean Claude Andriamalala sy Soava Andriamarotafika mpanao gazety amin’ny Fandaharana Tambatra.
Fermer