Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
MALAISIE: Tra-tehaka ny sokatra 17 avy aty Madagasikara natao tanaty baoritra
Ny alin’ny 26 desambra tamin’ny 22h30, nahazo fanampim-baovao ny departemantan’ny bibidia sy ny valanjavaboary any Malaisie (Perhilitan) mahakasika ny fisiana trangana trafikana harena voajanahary, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Perhilitan, Abdul Kadir Abu Hashim. Natao, araka izany, ny fomba rehetra handravana io fikasana ratsy io. Nisy ny fisavana ny entana nentin’ny fiaramanidin’ny kaompaniana Ethiopian Airlines nitoby tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Kuala Lumpur any an-toerana. Tamin’izany indrindra no nahatrarana ireo sokatra “radiées” miisa 17. Natao tanaty baoritra nambara fa misy zavamaniry ireo sokatra ireo. Fantatra, araka izany, fa an-tsokosoko no nanaovana ny fitaterana ireo sokatra ho any Malaisie, niainga avy eto Madagasikara.
Raha ny fanazavan’ireo tompon’andraikitra any Malaisie, mitombo hatrany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny filàna amin’ireo harena voajanahary izay efa an-dalam-paharinganana, ka anisan’izany ireo sokatra “radiées” ireo. Anisan’ny tena itiavan’ny maro azy ny lamosiny misy kisarisary toy ny kintana, ary karazana sokatra tsara indrindra maneran-tany izy. Tany Malaise hatrany, vao tamin’ny 20 desambra lasa teo no nisy ny fanasaziana olona nihazona tsy ara-dalàna ireo karazana sokatra ireo miisa 6. Herinandro taorian’io indray no niseho io tranga avy aty Madagasikara io. Fehiny, mila hamafisina ny fepetra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Na ho an’ny firenena hivoahan’ireo harena voajanahary izany na ihany koa ho an’ireo firenena mandray azy ireo.
S.S




