Songadim-baovaoToekarena

MANAKARA BE SY AMPILAO: Hametrahana fotodrafitrasa fiarovana ny sisin-tany

Misy sokajy efatra ny fiantraikan’ny fiovan’ny toentrandro ho an’ireo morontsiraka ao amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany, araka ny fanazavana avy eo amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD). Lohalaharana amin’izany ny tondra-drano amin’ireo faritra iva amin’ny morontsiraka. Araka ny fanadihadiana, tamin’ny 1997 dia nahitana fihemorana 5,71m ka hatramin’ny 6,5m ny sisin-tany. Ary ahiana ho tonga hatramin’ny 225m izany amin’ny taona 2100. Ankoatra izay, miakatra ny haavon’ny ranomasina, kaohin’ny ranomasina ny sisin-tany ary mitsiaka mankany amin’ny tahirin-dranomamy ambanin’ny tany ny ranomasina. Eo anatrehan’izany, mihemotra tsikelikely ny tsipika mametra ny ranomasina amin’ny sisin-tany ary miha simba ihany koa ireo bibisokay. Mba hanalefahana ireo tranga ireo dia misitraka ny Tahirim-bola ho an’ny Firenena andalam-pandrosoana i Madagasikara izay famatsiam-bola avy amin’ny Tahirim-bola ho an’ny tontolo iainana maneran-tany. Tetikasa iray mikendry ny hanalefaka ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetrandro amin’ny morontsiraka no tanterahan’ny BN-CCCREDD+ eo anivon’ny MEDD. Fotodrafitr’asa fiarovana ny sisin-tany no apetraka ao Manakara be sy Ampilao.

Voasokajy ho laharam-pahamehana

“Rindrina lehibe vita amin’ny béton izay mirefy 200 ml no apetraka ao Manakara be ary rindrina vita amin’ny vato kosa no atao ao Ampilao izay mirefy 50 ml. Arenina ihany koa ny tora-pasika tandrify ireo fotodrafitr’asa roa ireo”, hoy ny fampitam-baovao. Tanterahana amin’ny morontsiraka ao Atsinanana, Boeny, Menabe ary Vatovavy Fitovinany ity tetikasa goavana ity.  Ireo toerana ireo izay voasokajy ho laharam-pahamehana anatin’ny Drafitr’asa fampifanarahana amin’ny fiovan’ny toetrandro (PANA). Tsiahivina fa efa nankatoavin’ny Tahirim-bola ho an’ny Tontolo Iainana maneran-tany, ny 31 jolay 2014, ity tetikasa ity. Ny fanatanterahana azy dia nanomboka ny volana novambra 2014 ary nokasaina ho vita ny novambra 2019. Nisy ny fanitarana ny fanatanterahana ka nihemotra amin’ny aogositra 2021 ny famitana izany. Omaly no nametraka ny vato fototra fanombohana ny asa ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry Rajoelina niaraka tamin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, ny Governoran’ny Faritra Vatovavy Fitovinany ary ny tompon’andraikitra ao amin’ny tetikasa PAZC.

Fermer