Songadim-baovao

MANAMBONINAHITRA JENERALY « Aron’ny vahoaka sy ny fampandrosoana atao eto amin’ny firenena », hoy ny Filoha Rajoelina

Manda sy aron’ny vahoaka sy ny fiandrianam-pirenena amin’ireo ambana samihafa anatiny na ivelany, ary aron’ny fampandrosoana ny firenena, manoloana ireo sy fahavalom-pampandrosoana ireo Jeneraly Manamboninahitra, hoy ny Filohan’ny Repoblika sady lehibe faratampon’ny Foloalindahy Malagasy…

Nivoitra tamin’ny lahatenin’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, nandritra ny lanonana ara-miaramila nanolorana faneva ireo Manamboninahitra Jeneraly nahazo ny laharam-boninahitra tamin’ny taona 2021, teny amin’ny Vondron’ny Mpilatsaka an’elonaina voalohany, teny Ivato, omaly, fa « Mpitarika ianareo ary tokony hijoro sy tsy hanaiky na oviana na oviana ny fanakorontanana na ny fanakanana ny ezaka atao hanarenana sy hampandrosoana ny firenena » hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Tetsy an-kilan’izany koa, namafisin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, sady Minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, Jeneraly Rakotonirina Richard, fa ny firaisan-kinan’ny foloalindahy malagasy dia voatazona hatrany, ary mitombina hatramin’izao. izany no hahafahana miaro ny fiandrianam-pirenena, manoloana ireo ambana mananontanona ny firenena, izay tsy ny asan-dahalo ihany, fa manoloana ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro dia ny fanampiana ireo mpiray tanindrazana tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo sy tratran’ny voina noho ny tondra-drano. Teo koa ny fandraisan’anjara fenon’ny foloalindahy tamin’ireny firongatry ny covid-19 ireny, teo amin’ny fitsaboana sy ny fandrindrana rehetra. « Miray hina sy mitandro ny fiandrianam-pirenena hatrany ny Foloalindahy malagasy, ary manakaiky hatrany ny vahoaka ».

Manamboninahitra Jeneraly 25 notolorana faneva

Nanankinana andraikitra goavana eto amin’ny firenena ireo Manamboninahitra Jeneraly

Manamboninahitra Jeneraly miisa 25 nahazo ny laharam-boninahitra tamin’ny taona 2021 no notolorana faneva, omaly. Anisan’izany ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Général de Corps d’Armée Serge Gellé, izay niavaka tamin’ny herim-po sy fanoloran-tena nasehony tamin’ny fanavotana ireo mpiray tanindrazana tany Soanierana Ivongo. Teo ihany koa ny Jeneraly Professeur Ratovondrainy Willy, izay anisan’ny nitarika ny ady tamin’ny Covid-19, sy ny sisa maro. Niarahaba ireo Manamboninahitra Jeneraly izay nahavita be tamin’ny adidy iantsorohany eny an-kianja ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, no sady Lehibe faratampon’ny Foloalindahy.

Vonon-kiaro hatrany ny Filoham-pirenena nofinidim-bahoaka…

Ny Foloalindahy sy mpitandro filaminana dia fatra-panaja ny Lalàmpanorenana sy ny safidim-bahoaka, dia ny Filoham-pirenena lanim-bahoaka ankehitriny, izay lehibe faratampon’ny foloalindahy sy izay olona avy amin’ny vahoaka, raha ny fampahatsiahivana nataon’ny Minisitra. Izay ananan’izy iro tamberin’adidy amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fiarovana sy fanampiana ny Filohan’ny Repoblika, hitondrana ny fampivoarana an’i Madagasikara amin’ny lafiny samihafa. Tsy azo ekena ny fanakorontanana, hoy ny jeneraly, ary isika Malagasy dia tsy hanaiky ny zava-misy toy ny any amin’ny firenen-kafa atsy Afrika, fa mijoro ho tandroka aron’ny vozona hatrany. « Mandray ny andraikitray avy hatrany izahay, raha misy fihoaram-pefy manakorontana ny fiandrianam-pirenena », raha ny nambarany. Manoloana ny tsikera sy fanenjehana mahazo ny mpitandro filaminana, manoloana ny vonjy taitra indray, dia nambaran’ny Minisitra, fa maro ireo solontenam-bahoaka manao tatitra sy mankasitraka ny ezaka ataon’ny vondron-kery telo misy eto amin’ny firenena, manoloana ny ezaka fanakaikezana ny vahoaka, hisorohana ireo karazana asa ratsy. Voalaza tamin’izany, fa miverina tsikelikely ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Manoloana ny fiavian’ny fetin’ny krismasy sy faran’ny taona, dia misy ny ezaka lehibe tanterahin’ny foloalindahy malagasy hanaovan’ny vahoaka malagasy rehetra fety am-pilaminana sy am-pifaliana. Niantso ny vahoka Malagasy rehetra ho tia tanindrazana ny Minisitra, satria ny fitiavan-tanindrazana no antoka hampandroso marina ny firenena. Mitohy, araka izany, ireo ezaka fametrahana ny filaminana sy fandriam-pahalemana manerana ny Nosy, izay mifanindran-dalana amin’ny fampitaovana ireo Tafika. Nambaran’ny Filoham-pirenena, fa ho avy afaka herinandro eo ny angidimby vaovao « Airbus H130 », izay afaka hanavoana « transport de troupes » sy « actions tactiques », ary hahafahana manatanteraka vonjy taitra ara-pahasalamana.

Fermer