PolitikaSongadim-baovao

MANANDONA – VAKINANKARATRA : Vita tanteraka ny tetezana, manala fahasahiranan’ny mpampiasa RN7

Vita tanteraka ny tetezana vaovaon’i Manandona eo amin’ny PK186 eo amin’ny lalam-pirenena fahafito. Afa-pahasahiranana ny mpampiasa izany fotodrafitrasa izany ankehitriny ary hanamora ny fivezivezen’ny entana sy ny olona ny fahavitany.

Tontosa ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny tetezana vaovao ao Manandona, izay mampifandray ny Faritra Vakinankaratra amin’ny tapany atsimon’ny Nosy iray manontolo. Tao anaty hafaliana tanteraka no nandraisan’ny vahoaka ny Filoha Andry Rajoelina. « Hitako fa nafana ny fandraisan’ny vahoakan’i Manandona na dia hita aza fa mangatsiaka ny toetr’andro. Mialoha ny hidinana ifotony tao an-toerana, dia nisafidy ny toerana hanaovana fitsidihana ka tapaka ny hevitra fa tsy maintsy atolotra amin’ny fomba ofisialy ity tetezana ao Manandona ity. Ny tetezana iray  teo aloha dia tsy hahafahan’ny  fiara mivezivezy. Izany hoe, mifandimby ny fiara rehefa mandalo eo, mandeha ny iray dia mijanona ary toy izany hatrany hatrany », hoy ny Filoha Andry Rajoelina omaly. Efa tamin’ny taona 1942 io tetezana teo aloha io, saingy izao izy lasa tetezana lehibe. « Rehefa manao zavatra dia atao goavana, ary atao azo hifanenana na « double voie », mba hahafahan’ny fiara mifanenana. Teo aloha rehefa misy rivodoza, dia tapaka ilay tetezana. Mila Mandroso  Manandona ka izao no mendrika azy », hoy izy. Noho izany dia izao nanolotra io tetezana io isika. Vita tsara izy io.  Jereo ny taloha sy ankehitriny fa misy fasamihafana be. Ankoatra izay, dia adiny 13 no atao ny lalana Antananarivo Fianarantsoa. Amin’izao dia efa nalefa ny « appel d’offre » ary hanomboka ny fanamboarana ny RN7 manontolo. Isika izao dia hanarina hatrany » : hoy ny filoha Rajoelina Andry.

Nandritra ny fandraisana fitenenana dia nisolo tena ny vahoakan’i Manandona ny Ben’ny tanàna  tao an-toerana ho fisaorana an’ny Filohan’ny Repoblika, amin’ny fahavitan’izao fotodrafitrasa izao. Nambaran’ity Ben’ny tanàna fa ilaina ny fahavitan’ny tetezana toy izao satria teo aloha rehefa avy ny orana dia atahorana, saingy ankehitriny, zavatra mendrika no mipetraka. Tsy ho an’i Manandona irery fa ho an’i Madagasikara manontolo satria mampifandray an’ny RN7 ity tetezana ity. Raha nandray fitenenana ny Minisitry ny asa vaventy dia nanasongadina fa efa betsaka ny fotodrafitrasa vita nandritra ny 5 taona. « Isaorana Andriamanitra nahatrarana ny andro 15 mey, hanolorana ny tetezana Manandona. Tsara homarihina fa efa tamin’ny 84 taona lasa no nanaovana io tetezana teo aloha io. Amin’izao fitondrana izao no nahavitana izao fotodrafitrasa goavana izao », hoy izy.  Amin’ity lalam-pirenena fahafito ity, dia misy tetezana efatra natao tao anatin’ny 12 volana ary efa vita tanteraka izy rehetra ireo, ka anisan’izany ity eto Manandona PK 186 + 100 ity, Ambohimandroso « PK 86 », Iaritsena « PK 471 » ary farany any amin’ny « PK 730 », izay misy fotodrafitrasa goavana dia goavana tahaka izao ary ankasitrahana ianao andriamatoa Filoha nanao ny ezaka hanatsarana ny lalam-pirenena eto Madagasikara », hoy ny Minisitry ny Asa vaventy, raha nandray fitenenana. Naharitra 12 volana ny faharetan’ny asa, novatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola tamin’ny alalan’ny tetikasa PACT, eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy.

Fermer