Songadim-baovao

MANDRITSARA : Lavon’ny bala i Jean Be dahalo nikoizana tamin’ny halatr’omby

Dahalo mpamerin-keloka iray antsoina hoe i Jean Be no saron’ny zandary, tao Antsirabe – Afovoany. Nangatahin’ny fokonolona anaovana fitsaram-bahoaka izy, ka voatery nafainganina ny famotorana azy. Ny alin’ny 3 jona no nentina niala tao izy hihazo an’i Mandritsara. Saika hitsoaka ka lavon’ny balan’ny zandary…

Ilay dahalo nikoizana tsy afa-bela teo amin’ireo zandary.

Ny alin’ny alatsinainy 30 hifoha 31mey lasa teo,  tany ho any amin’ny misasakalina, niantso « Vonjeo » Ramatoa Dadie monina ao Antsirabe-Afovoany, anatin’ny distrikan’i Mandritsara satria nisy olon-dratsy namaky sy niditra an-keriny ao an-tranony. Noho izany, nifanenjehan’ny Zandary ao amin’ny Toby ao an-toerana niaraka tamin’ny fokonolona ilay olon-dratsy ka tratra tao an-tanàna, tsy ela akory taorian’io fanairana io. Tsy iza moa izany fa i Jean Be, dahalo ikoizana. Fantatry ny rehetra fa mpamerin-keloka ary fototry ny halatr’omby sy ny asan-jiolahy ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Antsirabe-Afovoany iray manontolo sy ny manodidina izy. Manaporofo izany, ny  efa nigadrany indroa, saingy afaka ny fonja hatrany, ka tsy mitsahatra manohy ny asa ratsiny. Efa nikononkonona fitsaram-bahoaka ny fokonolona tany an-toerana sy tamin’ny Faritra manodidina hafa. Vokatr’izany, nihamafy ny fikasan’izy ireo hamono ity Dahalo ity, ny marain’ny talata farany volana mey lasa teo,  ka nidina haingana tany an-toerana ny Komandy ny Vondron-tobim-paritra sy ireo Zandary mpiara-dia aminy izay mbola tany an-kianja avokoa.

Nafainganina, araka izany, ny famotorana mikasika ity raharaha naha voasambotra an’i Jean Be ity. Ny faha 3 jona lasa teo izy dia nentina niala ny tanàna, tokony ho misasakalina hihazo an’i Mandritsara, mba tsy ho hitan’ireo fokonolona nikasa mafy ny hanao fitsaram-bahoaka azy. Ary tsy nanaraka lalam-be mazava ny nitondrana azy, mba hialana amin’izay mety ho fifanjevoana eny am-pandehanana, raha sanatria tojo ireo fokonolona ireo. Tokony ho tamin’ny 3 ora maraina anefa, raha nandalo tao amin’ny toerana antsoina hoe Andrikarika, ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Antsirabe-Afovoany, anisan’ny Faritra mena, dia  nampiseho ny maha dahalo azy i Jean Be ka mbola tafaporitsaka ihany, saingy lavon’ny balan’ny Zandary. Fepetra noraisina,  nanaovana tatitra ireo Lehibe sy tompon’andraikitra isan’ambaratongany, na ny teo anivon’ny Distrika na ny tany amin’ny Faritra. Nantsoina ireo mpitondra sy ny fokonolona avy amin’ny tanàna manodidina sy ireo mpanao gazety, niara-nijery ifotony ny zava-nisy. Tonga teny an-toerana ny dokotera nizaha ny razana.

Manao ny ainy tsy ho zavatra ny Zandary ametrahana ny fandriampahalemana maharitra.

Dahalo mpamerin-keloka….

Ny taona 2021 lasa iny, voampanga noho ny fangalarana ny ombin’Atoa Velo Michel tao Antsirabe-Afovoany i Jean Be, araka ny PV n°088/EPJ ny 05/07/21, nefa nandositra. Araka ny DJ n°27-CCS/21/J2 ny 03/08/21 sy ny PV n°129/EPJ tamin’ny 07/10/21 dia voasambotra izy ary voatazona tany am-ponja. Efa nigadra  koa talohan’io vokatry ny asan-jiolahy sy fanakanan-dalana tanatin’ny Kaominina sy ny faritra maro manodidina. Ka izao izy afaka avy any amponja izao indray no niverina nanohy ny asa ratsiny. Antony  nahatonga ny fokonolona niray feo nilaza hoe: « Samy efa nanao ny asany na ianareo Zandary na ny Fitsarana fa io olona io mihitsy no tsy hiova ka aleo indray izahay vahoaka hanao ny anay ». Niezaka nanavotra azy ny Zandary ka nitondra azy amin’ny andro alina, mba tsy ho hitan’ny vahoaka. Kinanjo tsy nifanaraka tamin’ny eritreriny izany ka izao niteraka ny fahafatesany izao. Velom-pisaorana ny Zandary ary nankasitrahan’ny vahoaka sy ny mpitondra tany an-toerana izao fahalavoan’i Jean Be izao, nandritra ny fanentanana Tagnamaron’ny Fandriampahalemana.

Fermer