Songadim-baovao
MANDRITSARA : Tafaverin’ny zandary sy ny fokonolona ny omby 17 norobain’ny dahalo
Omby 22 isa avy novidiana tamin'ny Tsena Sabotsibe, fokontany Ambohimandroso, Kaominina ambonivohitra sy distrikan’i Mandritsara, nokasaina hoentina any Mananara-Avaratra no noravan'ny dahalo teny an-dalana, ny 23 mey lasa teo. Vokatry ny tagnamaron’ny fandriampahalemana, dia tafaverina ny omby 17 norobain’ny dahalo…

Omby 22 isa avy novidiana tamin’ny Tsena Sabotsibe, fokontany Ambohimandroso, Kaominina ambonivohitra sy distrikan’i Mandritsara, nokasaina hoentina any Mananara-Avaratra no noravan’ny dahalo teny an-dalana, ny 23 mey lasa teo, tokony ho tamin’ny 3 ora folakandro. Dahalo miisa efatra mirongo basilava no nanatanteraka ny fanafihana. Vantany vao nahare izany ny Kapiteny Kaomandy ny vondron-tobim-paritra Mandritsara, nidina avy hatrany tany an-toerana, ny andron’io ihany, niaraka tamin’ny Zandary 20 lahy, nanao ny fanarahan-dia sy ny savahao ary fisafoana ireo kizo rehetra tany amin’ny Faritra Anjiro, kaominina ambanivohitra Marotandrano, distrikan’i Mandritsara. Toerana malaza fieren’ny Dahalo sy fanafenana omby halatra izy io. Niditra tamin’io Faritra voalaza ny dian’ireto omby 22 voarava ireto. Fokonolona 200 isa eo ho eo no niara-nisalahy tamin’ny Zandary nanohy sy nanatanteraka ny asa rehetra mifandraika amin’ny fitadiavana ireo omby ireo. Ny 25 Mey 2022, nanaovana fanentanana amin’ny fifanomezan-tanana koa ny vahoaka tao Antsiatsiaka distrikan’i Mandritsara, izay faritra mifanefitra amin’ny Distrikan’i Mananara-Avaratra ary nomena ny toromarika rehetra amin’ny fiambenana ny kizo sy ny efitany.
« Nampiharina ny Dina Malainkalatra »

Ny alarobia tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro, raraka teny am-pelatanan’ny olon-dratsy ny 10 tamin’ireo omby very ka efa naratra mafy voafira koa ny iray. Tao Beandrarezona, kaominina ambanivohitra Marotandrano, distrikan’i Mandritsara no namelan’ireo dahalo ny omby, raha vantany vao nahatazana ny Zandary. Raikitra ny fifanjevoana ka tao amin’ny Tendrombohitra antsoina hoe Vohilolo, avaratra andrefana Anjiro, izay nieren’ireo Dahalo. Voahodidin’ny Zandary io Vohitra io tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany folakandro, izay mbola misy masoandro mazava, raha toa ka tamin’ny 2 ora sy 15 minitra no tafatsofoka tao ireo Dahalo. Nivadika rakotra haizina vokatry ny zavona matevina sy erika mifafy io Faritra io, rehefa nidirana ka tsy nahitam-bokany ny fisavana. Nisy, araka izany, ny fampiasana ny fitaovana teny am-pelatanana vokatry ny fifanjevona. Mbola nitohy ny savahao ny Faritra Anjiro sy ny manodidina. Ny alakamisy 26 mey, hita koa ny enina ampahany tamin’ireo omby sisa tavela, ka tao Ambavahadiala fkt Anjiro, izay toerana rakotra ala no namatoran’ireo Dahalo azy. Ny iray tamin’ireo dia efa maty voatetik’ireo Dahalo nangalany hena. Araka izany, mitontaly 17 ny isan’ireo omby hita ka ny telo tamin’ireo no maty raha toa ka dimy, kosa no mbola karohina.

Ankoatra izay, niroso tamin’ny fampiharana ny Dina « Malainkalatra », izay mihatra ato amin’ny Faritra Sofia, rehefa nahazoana fankatoavana avy tamin’ny Lehiben’ny Distrikan’i Mandritsara. Araka izany, tontosa ny sabotsy teo, ny fanatanterahana io « Dina » io, ka voadidy nanonitra ny omby dimy sisa tsy hita ny vahoaka tao amin’ny fokontany Anjiro, kaominina ambanivohitra Marotandrano. Tonga niatrika izany tany an-toerana ny Ben’ny Tanàna niaraka tamin’ny Komitin’ny Dina sy ny Sojabe ary ireo Zandary rehetra nanatanteraka ny fanarahan-dia izay notarihan’i Kapiteny Tobiasy Komandy ny Vondron-tobim-paritra Mandritsara. Nizotra tamim-pilaminana ny fanatanterahana izany. Misokatra ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity, izay marihana fa tranga tsy fahita tanatin’ny 20 taona mahery izany fandravana omby avy amin’ny Tsena Sabotsibe hoentina hivoaka ny Faritra izany.



