PolitikaSongadim-baovao
MANGARAHARA AMIN’NY RAHARAHAM-PANJAKANA : Fahasahiana politika ny fahavitan’ny volavolan-dalàna hiantoka izany
Velirano fahatelon’ny Filohan’ny Repoblika ny tokony hifanakaikezan’ny asam-panjakana amin’ny olom-pirenena. Mariky ny Fanjakana tsara tantana rahateo izany, ary mifototra amin’ny kolontsain’ny tamberin’andraikitra. Mizotra mankany amin’ny fanatanterahana izany ny fananana lalàna momba ny fahazoa-mamantatra ny raharaham-panjakana. Nampahafantarina ampahibemaso tetsy Anosy ny volavolan-drijan-tenin-dalàna mahakasika izany, nataon’ny Minisiteran’ny Serasera, omaly…

Firenena 127 maneran-tany no efa manana lalàna mahakasika ny fahazoa-mamantatra na ilay antsoina hoe “Loi à l’accès à l’information”, araka ny tatitry ny Unesco. Efa nanomboka tamin’ny taona 2006 no nanomboka namolavola izany isika teto Madagasikara, tamin’ny alalan’ny “Comité pour la sauvegarde de l’intégrité (CSI)”, saingy tsy tafavoaka noho ny antony maro samihafa. Tsy azo ihodivirana amin’izany ny antony ara-politika, noho ny tsy fahasahiana hametraka ny mangarahara teto amin’ny Firenena. Ny 26 Septambra 2019, fanamby no nataon’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana, fa tsy maintsy tontosaina ny volavolan-drijan-tenin-dalàna mahakasika ny fahazoa-mamantatra raharaham-panjakana. Nanomboka teo, nisy ny fakan-kevitra ny nataon’ny minisitera tamin’ireo Sampandraharaham-panjakana samihafa, sy tamin’ireo fiarahamonim-pirenena isan-tokony. Naseho omaly, araka izany, ny fandravonana ireo hevitra rehetra azo tamin’ireo mpisehatra rehetra ireo. Ity fandravonana ity izay nahafaha-nanangana ny “Volavolan-drijan-tenin-dalàna momba ny fahazoa-mamantatra raharaham-panjakana”, na “Avant-projet de loi sur l’accès à l’information à caractère public (LAICP)” .
Mampihena ny elanelana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka
« Sambany isika eto Madagasikara hanana lalàna mifehy ny zo mahafantatra”, hoy ny Minisitra Andriatongarivo Lalatiana, omaly, tetsy Anosy.
Ny ekipan’ny minisitera ankehitriny no nahasahy namolavola ity volavolan-dalàna ity, hoy izy, raha efa tany amin’ny taona 2006 aza izany no tokony ho nisy. Fahasahiana politika goavana izany. Fahasahiana hitondra fanovana marina eto amin’ny tany sy ny Firenena. “Mampihena ny elanelana misy eo amin’ny mpitondra sy ny entina sy ny fisian’ity lalàna ity, ary mahatonga ny kolontsain’ny tamberin’andraikitra”, hoy hatrany ny fanazavany. Efa saika voafaritra ao anatin’ity volavolan-drija-tenin-dalàna ity avokoa ireo sokajina torohay azo fantarina eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. “Misy ireo azo fantarina avy hatrany, misy kosa ireo azo fantarina, saingy misy fepetra, ary farany ireo tsy azo avoaka mihitsy toy ny fiainan’olona manokana”, hoy ny Minisitra. Mazava ho azy, araka izany, fa hisy ireo sazy, na ho an’ny mpangataka torohay na ho an’ny hangatahana, raha toa ka mivaona amin’ireo fepetra efa voafaritra ao anaty lalàna.
Nahavita dingana ny minisitera
Nahavita dingana goavana, noho izany, ny minisitera. Dingana izay antoka amin’ny fahatongavana amin’ny tena fampandrosoana marina, sy hiarahana. Matetika mantsy ny vahoaka dia verezin-jo amin’ny tsy fahafaha-mamantatra ny tena zava-misy amin’ny raharaham-panjakana, hany ka vao mainka mihalalina ny hantsana manelanelana ny Mpitondra sy ny vahoaka. Dingana tsara ihany koa ny vitan’ny minisitera, amin’ny finiavana hanatsara hatrany ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety, satria ny mpanao gazety no anisany mpahazo tombontsoa voalohany amin’ny fisian’ity lalàna ity. Indrindra eo amin’ny lafiny fitrandraham-baovao. Aorian’izao fanolorana azy ampahibemaso izao, entina eo anatrehan’ny Filankevitry ny minisitra sy ny Filan-kevitry ny Governemanta, noho izany, ity volavolan-drijan-tenin-dalàna ity. Rehefa vita izany vao hampandalovina eo anatrehan’ireo parlemantera.
“Vinavinaina ho atolotra ao amin’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona amin’ny fivoriana ara-potoana, amin’ny oktobra izao, izy ity”, hoy ny Minisitra tompon’andraikitra.
Rehefa lany avy eny amin’ny Antenimiera roa tonta, vao raisin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, amin’ny fijerena ny fifanarahany amin’ny Lalàmpanorenana na tsia. Aorian’izay vao mandalo ny fankatoavan’ny Filoham-pirenena mba hanan-kery.



