PolitikaSongadim-baovao

MARC R, HAJO A, TAHINA R, HERY R, RAOBELINA, …: Mitady haka fahefana tsy handalo fifidianana

Manamarina ny famakafakana efa nentina teto amin’ny gazety hatrany am-piandohana ny fihetsik’ireo Kandida maromaro mivondrona manohitra ny zotram-pifidianana ankehitriny. Efa andro maromaro izay no nilazana fa fanakorontanana no tadiavin’izy ireo noho ny herijikan’izy ireo ambany raha hiatrehana fifidianana. Ho an’ny omaly dia isan’ny nanamarika ny mpanara-baovao ny fidinana nataon-dry Hajo Andrianainarivelo, Marc Ravalomanana, Hery Rajaonarimampianina, Tahina Razafinjoelina, Andry Raobelina, Paraina Auguste, Roland Ratsiraka, Jean Jacques Ratsietison tetsy amin’ny manodidina ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina. Efa fantatr’izy ireo tsara fa tsy nahazo alalana ampiasa io toerana io izy ireo saingy nanao amboletra, nikatsaka izay hisian’ny fifandonana mba hanaratsiana endrika ny Governemanta sy ny mpikarakara fifidianana avy eo hoe tsy manaja demokrasia.

Azo ambara ho nitsefotra anefa izany tetidratsy izany, satria voafehy tamin’ny ankapobeny ireo olom-bitsy notarihina teny an-dalambe. Antenaina fa hahatonga saina ireto Kandidà ireto ny zava-niseho omaly, satria tokoa mantsy raha ny fihetsiketsehana rehetra efa nataon’izy ireo hatramin’izay, ny fanambarana nisesisesy tetsy sy teroa, ny fivoriana nikato-trano isan’andro isan’andro, mbola nampiana antsoantso tao amin’ny “Miara-manondrana” niantsoana ny olona hidina andalambe, dia tsy tokony ho toy ireny mihitsy ny zava-nisy ho an’ny omaly. Efa nisy mihitsy fandehanana an-tongotra hatraty amin’ny tunnel Ambohidahy mba hisarihana ny olona hanaradia, ary saika hiditra ny kianjan’ny 13 Mey saingy tsapan’izy ireo fa vitsy ary tsy araka ny noheverina ny olona zakan’izy ireo, ka dia rava maina ny hetsika.

Mazava ny kisary fa tsy mahatarika vahoaka intsony ireto Kandidà ireto, na dia izy 11 miaraka aza. Ankehitriny, misy ny fitakiana ataon’izy ireo, izay heverin’izy ireo fa ahafahana miroso amin’ny fifidianana. Isan’izany ny fifanarahana politika hametrahana ny rafi-pitsarana manokana hikirakira ny raharaham-pifidianana, ny fanovana ny firafitry ny Ceni, ny tsy hitantanan’ny Governemanta ankehitriny ny firenena ao anatin’ny firosoana amin’ny fifidianana, ary ny tsy fanekena ny firotsahan-kofidian’ny Kandida Andry Rajoelina. Rehefa tsy tanteraka, hono, ireo, dia ho eny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey izy ireo hitarika vahoaka manomboka amin’ny alatsinainy izao. Te ho afa-baraka indray ka hitoky amin’ny olona mpampiasa tambazotran-tserasera sy ao ambadiky ny ecran? Fa ny tena fanontaniana mipetraka dia ny hoe inona no manamarina ny tokony hanatanterahana an’ireo fangatahana ireo? Moa ve tsy ara-dalàna ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ankehitriny sy ny nandrafetana ireo mpikambana ao aminy ? toy izany koa ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana? Moa koa ve tsy nanaja izay voalazan’ny Lalàmpanorenena ny nandraisan’ny Governemanta ifarimbonana ny fitantanana vonjimaika ny firenena? Mazava ny tanjona ho an’ireo Kandida mivondrona ireo, dia ny handrombaka fahefana tsy handalo fifidianana. Efa leo an’izany ny vahoaka, ka andrasana ny tohin’ny raharaha…

Ny Fanoratana.  

Fermer