PolitikaSongadim-baovao

MARC RAVALOMANANA HILATSAKA BEN’NY TANANA : Valifaty politika no mibaiko azy

Olona tokony hanana ny haja amam-boninahitra sahaza azy ingahy Marc Ravalomanana amin’ny maha Filoham-pirenena teo aloha azy, kanefa dia nisafidy ny hilatsaka Ben’ny tanàna indray noho ny fitiavam-pahefana tafahoatra. Mibaribary tanteraka fa valifaty politika no mibaiko azy.

Raha toa ka mbola honohono sy resaka nandeha fotsiny no re hatramin’izay fa hoe hirotsaka Ben’ny tanàna hono Ravalomanana, d ia tena izy tenany mihitsy omaly no nanao fanambarana ofisialy ny haha kandidà azy eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Gaga ny rehetra, eny fa na ireo heverina ho mpanaradia azy aza, hoe olona efa Filoham-pirenena teo aloha, efa tomponandraikitra voalohany teto amin’ny firenena, kanefa dia hidina hitantana Kaominina indray, ka hanao Ben’ny tanàna.

Mazava anefa ny tanjona ho azy, ka tsy ahoany izay fietrena voninahitra noho ny firotsahana Ben’ny tanàna. Haka an’Antananarivo no tarigetra. Izay mantsy no lalana heverin’izy ireo hahafahana mitarika ny fanakorontanana eto amin’ny firenena. Mampametra-panontaniana ihany ny hoe hirotsa-kofidiana hitantana tanàna iray, dia tsy ny fampandrosoana ilay tanàna no tanjona fa handrava Fanjakana ? Mendrika izany ve Antananarivo ? Tsiahivina fa hetsi-bahoaka notarihin’andriamatoa Andry Rajoelina, ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’izany noho nahatonga an-dRavalomanana niala teo amin’ny fitondrana tamin’ny 2009 rehefa tsy nanaiky ny jadona sy ny fanaovana ampihimamba ny toekarena ny vahoaka. Heverin’ny mpanara-baovao, noho izany, fa Valifaty politika sy fankahalana no mibaiko an-dRavalomanana amin’izao fanapahan-kevitra raisiny izao.    

Ho lany tokoa ve ?

Voaresaka hatrany ny hoe anjakan’ny TIM ny tontolo politika eto Antananarivo Renivohitra. Misy, araka izany, ireo mihevitra fa ho lany avy hatrany izany andriamatoa Ravalomanana izany raha toa ka mirotsaka ho Ben’ny tanàna. Ny tsara ho fantatra anefa dia efa miova izao ny Hodidina fa tsy mitovy ny tany aloha intsony. Ohatra amin’izany ireo Mpifidy izay efa saika “Génération” vaovao ny ankamaroany fa tsy ireo fanatika an-dRavalomanana tany amin’ny 10 na 15 taona lasa irery intsony. Efa manana fahaiza-mandinika koa ny Vahoakan’Antananarivo fa tsy mora ahodina amina hevi-diso mirona mankany amin’ny fanakorontanana intsony.  Midika izany fa tsy mandeha ho azy ny fahalaniana eto Antananarivo ho an-dRavalomanana fa mitovy herijika amin’ny mpifaninana aminy rehetra ihany izy.

Fahapotehana nanomboka 2015 

Etsy ankilany, mbola takaitra iainan’ny vahoakan’Antananarivo mandrak’ankehitriny ny fahadisoana safidy natao tany amin’ny taona 2015, izay niakaran’ny TIM teo amin’ny fitondrana. Nandroso ve ny tanàna tamin’izany ? Voavaha ve ireo olana ara-tsosialy samihafa niainan’ny vahoaka? Mazava ho azy, TSIA no valiny. Vao mainka aza potika ny tanàna. Ravalomanana ihany anefa no tao ambadiky ny Vadiny, izay ben’ny tanàna tamin’izany teto Antananarivo. Koa ankehitriny dia hilaza indray fa hanarina an’Antananarivo?

Tags
Fermer