PolitikaSongadim-baovao

MARC RAVALOMANANA: Tsy tsara toerana hanome lesona momba ny Demokrasia

Ilay olona nalaza tamin’ny fanaovana didy jadona sy tsy fahazakana Demokrasia ary tsy fahaiza-mitantana indray ankehitriny no mitsangana ary miseho ho mpanome lesona ny Fitondram-panjakana amin’izao fotoana, izay manao ny asany araka ny tokony ho izy. Tsy mifandray mihitsy amin’ny tena zava-misy marina eto amin’ny Firenena ny zavatra hitan’ingahy Marc Ravalomanana, raha ny fanehoan-keviny no henoina.

Mitsanga-menatra ny Malagasy amin’ny zava-misy eto amin’ny Firenena ankehitriny », hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana.  Nambarany fa fanodinkodinana saim-bahoaka, fampitahorana, fizahozahoana, ary didy jadona no misy eto Madagasikara ankehitriny. Mampametra-panontaniana ihany hoe ingahy Marc Ravalomanana ve no sahy hilaza fa jadona sy fampitahorana no misy ankehitriny, raha jerena ny Fitondrana nifandimby teo hatramin’izay, indrindra ny tamin’ny Fitondrany? Mahakasika ny fandaharana Miara-Manonja ataon’ny mpanohitra, nambarany fa ao no mba hanarahin’ny vahoaka izay mba tena vaovao marina eto amintsika. Fanambarana izay diso tanteraka satria raha henoina ity fandaharan’ny mpanohitra ity, dia saika tsaho sy lainga avokoa no mameno ny fotoana. Resaka tsy hanana porofo akory toy ny filazana hoe vola avy amin’ny vondrona mpampihorohoro no hanatanterahana ny vina PEM.

Mikatsaka fitoniana sa fanakorontanana?

Aleo mifandamina sy mifanaja… Mila fitoniana politika ny fampandrosoana”, hoy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ny mahagaga anefa dia tsy mizotra mankany amin’izany fikatsahana fitoniana izany mihitsy no ataony sy ireo mpiara-dia aminy. Vao mainka aza fikatsahana korontana sy savorovoro. Efa nolazaina tao amin’ny fandaharan’ny mpanohitra ny hoe “Toliara taingenan’ny Faritanin’ny Fianarantsoa”. Moa va tsy efa fambolena adim-poko izany? Eo koa ny efa nanambarana ho ren-tany ho ren-danitra fa fanonganam-panjakana no kasain’izy ireo atao eto amin’ny Firenena. Izany ve no fikatsahana filaminana? Niainga tamina didim-pitsarana, noho izany, no nampitsaharana ny fampitana ny MBS tamin’ny alalan’ny zanabolana, taorian’ireo trangana tsy fanarahan-dalàna hita tao amin’ny fandaharana ireo. Izany indray anefa no havadika ankehitriny hoe tsy mahazaka Demokrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra ny Fanjakana.

Etsy ankilany, diso be ihany koa ny filazana fa hoe nosamborina izay nanao akanjo mena ny sabotsy 20 Febroary lasa teo. Raha tsiahivina,  olona tratra nizara vola sy nahitana vato avokoa ireo notazonina am-ponja vonjimaika ireo. Izany hoe, tsy misy hifandraisany tamin’ny akanjo nanaovany, araka ny fanazavan’ny mpitandro filaminana, fa ny fikasana fanakorontanana sy savorovoro no nihazonana azy ireo.

Fitantanana ny harem-pirenena?

Anisany voaresak’ingahy Marc Ravalomanana ihany koa ny hoe gaboraraka ny fitantanana ny harem-pirenena ankehitriny. Fotoana izay nanakianany mafy ny Fanjakana tamin’ilay raharaha volamena 73,5kg. Betsaka anefa no azo resahina raha ny fitantanana ny harem-pirenena tamin’ny andron’ingahy Ravalomanana teo amin’ny Fitondrana no hanaovana jery todika. Vao omaly indray aza moa no hita tamin’ny tambazotra sosialy sy ny fampahalalam-baovao maro samihafa ny sarin’ingahy Ravalomanana sy teratany sinoa vitsivitsy miara-mipetraka eo amin’ny seza vita tamin’ny “bois de rose”. Araka ny fantatra, nihaona sy niresaka ary nitrosa vola tamina sinoa mpanao trafikana Andramena ny tenany nentina nanao propagandy tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ny 2018. Niaraha-nahita fa tsy lany izy. Tonga mitaky trosa aminy ireo Sinoa amin’izao fotoana izao.

Miantso fanampiana?

Raha ny fandaharana nataon’ingahy Ravalomanana omaly no fakafakaina tsara dia toa miantso vonjy sa miantso fanampiana izany ny lehilahy! “Ndao aloha isika itovy hevitra tsara… ndao mba lanjalanjaina tsara ny resaka atao…ary miantso firaisankina eo amin’ny samy mpanohitra”, hoy izy, izay sady misora-tena ho lehiben’ny mpanohitra rahateo. Izany hoe, efa tsy arahin’ny vondron’ny mpanohitra sasantsasany intsony izany ny tenin’ity Filoha teo aloha ity raha io teniny io no raisina. Tranga izay tokony hahatonga saina azy sy hanitsiany ny lalan-kalehany.

Ny Fanoratana.

Fandaharana “TSY HO TOMPON-TRANO MIHONO” anio Anio indray no harahina ao amin’ny radio nasionaly malagasy (99.2fm) sy ireo radio tsy miankina maro manerana ny Nosy ny fandarahana “Tsy ho tompon-trano mihono” izay hiarahana amin’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo, amin’ny 1ora sy 30 tolakandro. Antenaina ny hiresahany bebe kokoa ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, sy ireo fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny Filankevitry ny Minisitra farany teo.
Fermer