Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
MAROC: Afrikana voalohany tafakatra amin’ny manasa-dalan’ny Amboara erantany
Vara-datsaka ho an-ndry Cristiano Ronaldo sy ny ekipany ny faharesena azon’izy ireo nandritra ny lalao ampahefa-dalana nihaonana tamin’i Maroc. Lavon’ity farany 1 no ho 0 izy ireo tamin’izany. Sambany teo amin'ny tantara, araka izany, no hisy firenena afrikana tafita hiatrika ny manasa-dalan'ny amboara eran-tany.
92 taona aty aorian’ny 1930 vao nisy firenena afrikanina hiatrika ny manasa-dalan’ny amboara erantany ho an’ny baolina kitra. Tsiahivina mantsy fa ny dingan’ny ampahefa-dalana no zava-bita tsara indrindra ho an’ny afrikana tamin’ny amboara eran-tany hatramin’izay. Isan’izany ny tamin’ny taona 1990 izay naha tafakatra ampahefa-dalana an’i Cameroun, tamin’ny taona 2002 kosa ho an’i Sénégal, ary ny Kintana maintin’i Ghana ny taona 2010. I Maroc, araka izany, no firenena afrikanina fahefatra tafakatra tamin’ny dingan’ny ampahefa-dalana, no sady voalohany ihany koa tafakatra amin’ny manasa-dalana.
Tsy voasakan’i Portugal ny Lions d’Atlas an’i Maraoka
Mitohy hatrany ny lalan’ny Lions d’Atlas an’i Maraoka amin’ny fifaninanana fiadiana ny amboara eran-tany Qatar 2022. Nametraka tantara tsara ity ekipa solotenan’i Afrika any sisa tavela tamin’ireo dimy nandray anjara tao anatin’ny fifaninanana. Tsy voasakana izy ireo na dia saika ekipa goavana avokoa no nifanandrina taminy, isan’izany ny nahatafavoaka azy ireo voalohany tao anatin’ny vondrona F nisy azy. Nanamarika ny lalao isam-bondrona ihany koa ny nandavoan’izy ireo an’i Belgique tamin’ny isa 1 no ho 0. Voatazon’ny Lions d’Atlas hatrany amin’ny fanalavam-potoana 120 min ny Espagnol, ka resin’izy ireo teo amin’ny tsotsoromamba hisarahana « tir au but », teo amin’ny ampahavalon-dalana. Tsy nahatohitra azy ireo ihany koa ny ekipan’i Cristiano Ronaldo teo amin’ny ampahefa-dalana fa niondrika tamin’ny isa 1 no ho 0 tamin’izany. Ekipa sangany i Maraoka, tsy mbola nidiram-baolina afatsy iray izy ireo tamin’ity andiany faha-22 ity, ary baolina « contre son camp » izany.
Tsara ho fantatra fa ny ekipam-pirenen’i Frantsa no miandry ny maraokana amin’ny manasa-dalana amin’ny 14 desambra izao amin’ny 10 ora alina eto Madagasikara. Ny Frantsay izay nandavo an’i Angleterre tamin’ny isa 2 no ho 1 tamin’ny ampahefa-dalana hatrany. Ny fihaonan’ny roa tonta izay niendrika lalao famaranana kely, ary nafana dia nafana hatrany amin’ny kiririoka farany. Eo amin’ny manasa-dalana ankilany kosa no ahitana ny fihaonana eo amin’ny Croatie sy Argentine ny rahampitso 13 desambra. Marihina fa mbola ato anatin’ity efa-joro ity ireo niatrika ny lalao famaranana tamin’ny andiany farany 2018, izay nizotra tany Rosia.
Heriniaina S. (Mpianatra asa) sy LR.




