PolitikaSongadim-baovaoSosialy
MATOKY TSARA NY MPITONDRA: Nanome 150 tapitrisa dolara ny Banky iraisampirenena
Miha matotra hatrany ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy ireo mpiara-miombona antoka iraisampirenena. Manaporofo izany ny fifanaovan-tsonia vaovao indray teo amin’ny Fanjakana malagasy sy ny Banky Iraisampirenena, omaly, izay miompana amin’ny fiahiana ara-tsosialy ireo mponina marefo taorian’ny Covid-19. Tamin’izany no nisitrahantsika fanampiana vaovao mitentina 150 tapitrisa dolara.
Fanampiana mitentina 150 tapitrisa dolara no natolotry ny Banky Iraisampirenena, ho fanamafisana ny fandaharanasa nasionaly momba ny fiahiana ara-tsosialy sy ho fanafainganana ny fanomezana vahaolana amin’ny fiahiana ara-tsosialy taorian’ny Covid-19, ho an’ny Fanjakana malagasy omaly. Fanampiana andiany fahatelo izy ity raha ho an’i Madagasikara manokana. Araka ny fanazavan’ny Solontenan’ny Banky Iraisampirenena eto Madagasikara, Marie- Chantal Uwanyiligira , mivaingana ny fandrosoan’ny fari-piainan’ireo mponina nisitraka ireo fanampiana ara-tsosialy samihafa, toy ny Fiavota sy ny Tosika Fameno manerana ny Nosy. Nihatsara, hoy izy, ireo tondro famaritana ny fandrosoan’ireo nisitraka, toy ny fidirana an-tsekoly, ny fihariana, ny fahasalamana, sy ny fanjarian-tsakafo. Fomba mahomby iadiana amin’ny fahantrana, noho izany, ny fanampiana ara-tsosialy. Ity fanampiana andiany fahatelo ity izay sady fanatevenana ihany koa ny tosika fameno hanalana ny fahasahiranana nateraky ny Covid-19 sy ny Fihibohana. Tsy ny tontolo ambanivohitra ihany no mizaka ny krizy fa lasibatra ireo mponina an-tanàn-dehibe, araka ny fanazavana hatrany. Tsy vitsy tokoa mantsy ireo tapaka asa sy fidiram-bola. Noho izany, nampitomboana ireo mpisitraka ny fanampiana sy hahazo ny famatsiana.
Olona 3 600 000 no hisitraka
Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Mponina, Bavy Michelle Angelica, dia mifandraika tanteraka amin’ny Veliranon’ny Filoha izao fahazoana fanampiana izao, izay miantoka ny fiahiana ara-tsosialin’ny mponina. Faritra 14 no hisitraka ny tetikasa, ahitana distrika 29, tokantrano 108 600, hoy ny fanazavana. Izany hoe, Olona maherin’ny 3 600 000 no hisitraka ny fanampiana. Nandritra ny fandraisam-pitenenany, nilaza ny Filoha fa fanamby ny hitadiavana vahaolana mipaka amin’ny mponina, amin’izao krizy iainantsika izao. Ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola kosa, tetsy ankilany, nanamafy fa mihamatotra ny fifandraisantsika amin’ny mpamatsy vola. “Mitohy ny asa sy ny fifandraisana amin’ny Banky Iraisampirenena sy ny Tahirimbola iraisampirenena ary ireo mpiara-miombona antoka samihafa”, hoy izy.
Nafainganina ny famoahana ny vola
Hanampy amin’ny fiarenan-dohan’ireo Tokantrano isany tena marefo ity fanampiana ara-bola azo ity, raha ny fanazavana. Ny Tokantrano marefo izay isany tena nitondra faisana vokatry krizy ara-pahasalamana Covid-19. Hahafahana manatanteraka ny vina sy fampanantenan’ny Filoha amin’ny fametrahana ny politika nasionaly ho an’ny fiahiana ara-tsosialy ihany koa ny fanampian’ny Banky Iraisampirenena, araka ny fantatra. Anisany hisitraka ny fanampiana ny Faritra Analamanga, Alaotra – Mangoro, Analanjirofo, Atsimo Atsinanana sy Menabe. Nafainganina ihany koa ny fomba namoahana ny vola. Nokarakaraina sy vita tao anatin’ny valo volana izany raha toa ka mitaky hatramin’ny 24 volana ny fanomanana amin’ny sehatra hafa, raha ny nambaran’ny Solontenan’ny Banky Iraisampirenena. Maneho ny maha mafy orina sy ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Banky Iraisampirenena ny fanaovan-tsonia sy ny fanampiana azo omaly, hoy hatrany ny fanazavana.
Notanterahina omaly ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Ministry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Richard Randriamandranto sy ny Solontenan’ny Banky Iraisampirenena eto Madagasikara Marie- Chantal Uwanyiligira. Nanatrika ny lanonana kosa ny Filoha Andry Rajoelina.




