Songadim-baovao
MBOLA ETO NY COVID-19: Mitohy ny fampitaovana sy ny fiahian’ny CCO ireo toeram-pitsaboana
Tsy ny fitandremana amin’ny alalan’ireo fepetra ara-pahasalamana ireny ihany no antoka handresena io valanaretina mbola misy eto amintsika sy maneran-tany io, fa eo koa ny fampitaovana izay entina hiadiana amin’izany, toy ireo fampiasan’ny mpisehatra ara-pahasalamana sy hopitaly mbola mandray an-tanana ireo mararin’ny covid. Tonga nanolotra ny anjara birikiny ny mpiasan’ny Cnaps, omaly.
Teo ny famatsiana ara-pitaovana ireo hopitaly sy ivon-toeram-pitsaboana samy hafa, nataon’ny fitondram-panjakana, hatrany am-piandohan’ny ady, fa maro koa ireo mahatsapa fa mbola anatin’ny ady tanteraka isika amin’izao fotoana, ka tsy vitan’ny samirery izany fa ilaina fiaraha-misalahy. Teo ireo karazana orinasa efa nanolotra fitaovana aman-kojakoja maro samy hafa, fa teo koa ireo fikambanana maro nahatsiaro zava-dehibe ny andraikitra sahanin’ny Foibem-pibaikoana ny covid eto amintsika io. Nambaran’ny Tale jeneralin’ny CCO, Jeneraly Elack Olivier Andriakaja, omaly, fa efa maro ireo nahatsapa ny andraikiny amin’izao ady atao izao. Amin’ny mangarahara hatrany kosa no hitantanana ireo fanomezana, ary nohamafisiny fa “miankina amin’ny filàn’ireo hopitaly sy toeram-pitsaboana mbola mandray an-tanana ireo marary no handefasana izany fitaovana izany, fa tsy azo atao antsirambina, satria ain’ny malagasy sy noho ny fitiavan’ny samy malagasy izao miseho izao”. Ireo fitaovana nampiasaina tamin’ireo Centre de traitement covid (CTC) Ivato sy Alarobia, dia efa naverina eny anivon’ny CCO avokoa, saingy raha misy filàn’ireo hopitaly sy ireo toeram-pitsaboana samihafa, toy ny CSB sy ny CTC Mahamasina, araka ny fisehon’ny covid amin’ireo marary, dia hamatsiana azy ireo izany, miampy ireo fitaovana fanomezana avy amin’ny malala-tanana, hoy ny jeneraly.
Ny 34%-n’ny mpiasan’ny Cnaps efa voan’ny covid
Toy ireo mpisehatra rehetra mbola niatrika ny adidy aman’andraikiny nandritra ireny hamehana teo aloha ireny, nisy ary maro tamin’ireo mpiasan’ny Cnaps no efa voan’ny covid. Nambaran’ny Tale jeneraliny, Rakotondraibe Mamy, fa ny 34%-n’ireo mpiasa voa avokoa, tao anatin’ny telo volana. “Tsy nisy akory ny narary mafy tamin’ireo mpiasa, noho ny fandraisan’andraikitr’ireo mpitsabo. Efa sitrana koa ny ankamaroan’izy ireo, raha mbola misy manohy fitsaboana amin’izao fotoana”, raha ny fanampim-panazavany. Teo amin’ny fikirakirana antontan-taratasy no fantatra fa nahazoan’izy ireo io valanaretina io, ary antony nandraisan’ny orinasa fepetra tsy hahafahana manatitra izany eny anivon’ny birao hatreto, fa amin’ny alalan’ny tranonkalam-pifandraisana. Nahatsapa ny maha zava-dehibe ny andraikitra sahanin’ireo mpiasan’ny fahasalamana ireo mpiasa eo anivon’ny Cnaps, ka nanapa-kevitra hanolotra fitaovana maro fampiasa, ho anjara birikiny amin’izao ady iraisana izao. Tapak’izy ireo tamin’izany fa ny andro tsy hiasany kanefa handraisany karama (congé) arak’izay foin’ny tsirairay, dia havadika vola ary atolotra ho fitaovana. Nitentina 60 tapitrisa Ariary io fanomezana io, ary nividianana ireo fitaovana maro samy hafa fampiasa hitsaboana sy hisorohana ny valanareina, toy ny arotava, aro loha, aro maso, aron’akanjo, tsiranoka hamonoana tsimokaretina, sy ny sisa. Nomarihan’ny talen’ny serasera eo anivon’ny Cnaps, fa mariky ny fifampitsinjovana eo amin’ny ara-tsosialy izao natao izao, ary vokatry ny fahafoizan’ireo mpiasa rehetra nahatsapa ny andraikiny.




