PolitikaSongadim-baovao

ME HANITRA, FIDELE, ANDRIANJATO, SY NY NAMANY: Mamafy lainga isan’andro, miketrika fanakorontanana

Tsy mitsahatra mamafy lainga sy manao fanambarana tsy misy porofo ny eo anivon’ny fanoherana amin’izao fotoana. Mifanindra an-dalana amin’izany ny fikononkononana korontana hanaratsiana endrika ny Fitondram-panjakana mijoro ankehitriny. Fantatra izao fa misy fikasana hanatanteraka fidinana an-dalam-be amin’ny herinandro ho avy izao, mba hisiana korontana faobe eto Antananarivo.

Mivandravandra tanteraka ny teti-dratsin’ny mpanohitra ankehitriny amin’ny fikasana hamboly korontana sy krizy politika vaovao indray eto amin’ny firenena. Araka ny fantatra, fanonganam-panjakana sy fandrobana ary korontana faobe eto Antananarivo no homanin’ny mpanohitra ho tanterahina ny 6 febroary ho avy izao. Raha tsiahivina dia mitovy paikady tanteraka tamin’ny “radio des mille collines”, izay nampirisika tamin’ny famonoana olona faobe na “génocide” tao Rwanda mihitsy ny tetikady ataon’ny mpanohitra amin’izao fotoana izao ity. Voizina mafy mantsy ankehitriny ny fisian’io famoriam-bahoaka hataon’ny mpanohitra ny 6 febroary io. Ny taona 1993, nisian’ny famonoana olona faobe tany Rwanda, dia novoizin’ny “radio des mille collines” mafy fa ny 6 aprily 1993 dia hisy zavatra hitranga tao Rwanda. Araka izany, famotehana sy famonoana olona faobe no nandeha rehefa tonga io daty io. Raha tsiahivina hatrany ny tantara dia nivoy lainga sy famahanan-dalitra nandritra ny andro maro io onjam-peo io tamin’izany, nanomanana ilay 6 aprily, ary tonga hatramin’ny fandranitana fankahalana mihitsy. Te hitovy tanteraka amin’izany ny ekipan’ny Miara-manonja ankehitriny.

Mila korontana ve izao ny Vahoaka ?

Araka ny hita sy re dia efa andro maromaro izao no tsy nitsahatra niteny sy namafy fankahalana ny Fitondram-panjakana tamin’ireo onjam-peo vitsivitsy mitovy firehana ireo ny avy amin’ny Fanoherana, ahitana an-dry Me Hanitra, Fidèle, Andrianjato, sy ny sisa. Mazava anefa ny tanjona fa ny hisiana rà mandriaka eto amin’ny firenena, antony nametrahana io datin’ny 06 Febroary io. Hahafahana tonga amin’izany dia hisy ny fandrobana tanàna, fampidinana olona an-dalambe hahatonga korontana. Raha ny kajikajin’ireto mpanohitra ireo izany dia tsy maintsy miongana mialohan’ny hahatongavana ny datin’ny 07 Febroary ny Fanjakana mijoro ankehitriny. Efa mazava anefa ny tiana hahatongavana rehetra. Raha tsorina, fitadiavana fahefana tsy amin’ny fomba demokratika no tanjona. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe fotoanan’izany ve izao? Ny mifanohitra tanteraka amin’ny ezaka rehetra ataon’ny Fitondram-panjakana no tian’ny mpanohitra atao ankehitriny. Noho ny krizin’ny Covid-19 dia misy ny olana ara-tsosialy toy ny vidim-bary izay iainan’ny vahoaka. Efa tonga ny vahaolana avy amin’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Vary Tsinjo. Ny an’ny mpanohitra anefa, etsy ankilany, fikononkononana korontana sy fanaratsiana rano fotsiny no atao. Efa samy resy lahatra ny rehetra fa efa fotoana hifantohana bebe kokoa amin’ireo karazana asa mila apetraka eto amin’ny firenena izao, fa tsy mila korontana intsony.

Ny Fanoratana.   

Fermer