Songadim-baovaoToekarena

MENAKA VOKARINA ANY TOAMASINA: Manaraka ny fenitra sy tsy misy tokony hatahorana

Isan’ireo voatondro molotra fa mitera-doza, manoloana ny firongatry ny fanapoizinana ara-tsakafo misy eto Madagasikara ankehitriny, ny menaka vokarin’ny orinasa “HITA” any Toamasina. Ampiasan’ny ankamaroan’ny Malagasy ny menaka mivoaka avy ao amin’io orinasa io noho izy mamaly ny filàna eto an-toerana. Nandritra ny tafa nataony tamin’ny herinandro lasa teo dia efa nandiso io tsaho mihely io ny Minisitry ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra David Ralambofiringa. Tsy nihonina fotsiny tamin’izany fa nifanindran-dalana tamin’ireo fepetra maro efa noraisina dia nosafidiana hanatanterahana fidinana ifotony mihitsy any amin’ny ozinin’ny orinasa. Tontosa tamin’ny sabotsy lasa teo, araka izany, io fijerena mivantana ny tontolon’ny famokarana menaka any Toamasina io. Nitarika ny delegasiona tamin’izany ny avy amin’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra (MIC), niaraka tamin’ireo fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa nahitana ny avy amin’ny FIMZOMPAM sy ny PMH. Nanotrona ny fitsidihana ihany koa ny manam-pahefana sy tompon’andraikitra any amin’ny Faritra Atsinanana ka anisan’izany ny Governora.

Nanomboka tao Ampilaolava toeram-panadiovana ny menaka RAJAH ny fitsidihana, avy eo nitohy tao Androranga izay fanadiovana ny menaka soja “HINA” sy ny menaka tournesol “LAFATRA”. Naseho tamin’izany avokoa ireo dingana rehetra lalovan’ny menaka manomboka amin’izy mbola tsy voadio (brute) mandra-pahatonga azy amin’ny endriny atolotra ny mpanjifa. Fehiny, niara-nihaiky ny rehetra fa manaraka ny fenitra takiana ny famokarana ny vokatra ka tsy misy tokony hatahorana. Manana laboratoara manokana ny orinasa ary misy fitiliana isaky ny adin’ny iray. Nohamafisin’ny Tale Jeneralin’ny HITA Handrisoa Razafindrazaka fa mandalo fitiliana manokana ny menaka izay vokarin’ny orinasa ary mahazo taratasy fanamarinana karazany 3 vao avoaka ho tonga eny amin’ny mpanjifa.
Ny zava-dehibe tokony hiarahan’ny rehetra mientana, noho izany, dia ny fanaraha-maso ny fitsinjarana ny vokatra, eny amin’ireo mpivarotra lehibe sy ireo toeram-pivarotana madinika, hoy ny  nambaran’i Tiana Rabarison izay filohan’ny FIMZOMPAM. Nambaran’ireo nanatanteraka io fitsidihana io fa misy marika betsaka hanavahana ny vokatry ny orinasa “HITA” amin’ireo izay mety ho menaka hosoka, hita eny amin’ny tavoahangy sy ny bidao lehibe, ka hanasana ny mpanjifa ny hanamarina izany mialoha ny fividianana menaka. “Aoka isika vahoaka mpanjifa tsy ho mora andrairan’ny tsaho”, hoy ny avy amin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Ankilany kosa, nanentana ny rehetra ny Minisitra fa tsy voatery ny menaka ihany fa ireo karazana entana rehetra no azo hanamafisana izany fanaraha-maso izany, eny amin’ireo ambaratongam-pitsinjarana rehetra. Tokony ho efa fahazarana ao amin’ny tsirairay rahateo ny fijerena foana ny daty farany azo ampiasana ny vokatra iray.

Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer