Songadim-baovaoSosialy

MIALY RAJOELINA – 08 MARSA 2021: “Asa mivaingana sy fanohanana ny vehivavy mavitrika no hasongadina”

Antsiranana no ivon’ny fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy, 08 Marsa, amin’ity taona ity. Omaly no efa nanao hetsika tany an-toerana ny Vadin’ny Filoham-pirenena Mialy Rajoelina. Fotoana izay nanambarany fa “Asa mivaingana sy ny fanohanana ny vehivavy mavitrika no hasongadina anatin'ny hetsika fankalazana ny 8 marsa amin’ity taona ity”.

Voatetin’ny Vadin’ny Filoham-pirenena, sady Filohan’ny Fikambanana Fitia, avokoa ireo renivohi-paritany dimy nanomboka ny 01 Marsa teo. Nanomboka omaly kosa, any amin’ny Renivohitry ny Faritra Diana, ao Antsiranana ny Vadin’ny Filoha, izay toerana hanatanterahana ny ivon’ny fankalazana ny 08 Marsa. Iraisan’ny hetsika rehetra natao tamin’ireo toerana rehetra nalehan-dRamatoa Mialy Rajoelina ny fanohanana ireo vehivavy manana asa fivelomanana sy fandraharahana, avy tamin’ny sehatra marolafy. Lohahevitry ny fankalazana tamin’ity taona ity rahateo ny hoe ““Vehivavy mizaka tena sy miarin-doha anaty tontolo iainana mirindra ho amin’ny fampandrosoana lovain-jafy”. Mifandraika indrindra tamin’io lohahevitra io ny hetsika natao tany Antsiranana omaly izay natomboka tamin’ny fambolena Raphia sy bambou tao amin’ny Kaominina Sakaramy Antsiranana. Fotoana izay nanambaran’ny Vadin’ny Filoha fa “Asa mivaingana sy fanohanana ny vehivavy mavitrika no hasongadina anatin’ny hetsika fankalazana ny 8 marsa amin’ity taona ity”.

Manampy amin’ny fiharian’ny vehivavy

Faritra arovana anatin’ny Montagne d’Ambre ny Lac Mahery, izay nanaovana ny hetsika, omaly. Toerana honenan’ny Biby maro tsy fahita firy afatsy eto Madagasikara. Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Baomihavotse Vahinala Raharinina, toerana miantoka ny rano ho an’ny Faritanin’Antsiranana ity toerana ity. “Faniriana ny hamadihana ny toerana ho toeram-pitsidihana ho an’ny mpizahatany”, hoy izy. Manampy ny Faritra Diana amin’ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetrandro ny hetsika omaly, noho izany. Ary koa, manampy amin’ny fandrakofana ala an’I Madagasikara, izay sady manampy amin’ny fiharian’ny vehivavy.

Tetsy ankilany, nohamafisin-dRamatoa Mialy Rajoelina fa ny Rofia dia misitona “carbone”, izay manadio ny rivotra. Ny Bararata kosa mitazona ny nofon-tany ho mando ka mahatonga azy hahavokatra, ary koa, manome tontolo tsara maha tamana ny biby.

Sakaizan’ny vaksiny fahefatra

Omaly ihany koa ihany koa no notokanan’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika ny toerana sakaizan’ny vaksiny ato amin’ny CHU Tanambao. Toerana izay nohavaozin’ny Fikambanana Fitia niaraka tamin’ny Vondron’ny Firenena mikambana misahana ny fahasalamana, ary ny Minisiteran’ny Fahasalamambahoaka. Ity no toerana sakaizan’ny vaksiny fahefatra natsangan’ny Fikambanana Fitia, taorian’ny tao Tsaralalàna, Ambohimiandra, Toliara. Afaka hisitraka izany avokoa ireo renim-pianakaviana sy ny zaza amin’ireo Distrika rehetra ato anatin’ny Faritra Diana, hoy ny fanazavana.

Fermer