Songadim-baovaoSosialy

MIALY RAJOELINA: Miray fo amin’ireo mararin’ny Homamiadana

Ny 04 febroary omaly no nanamarihana ny andro manerantany iadiana amin’ny Homamiadana. Nanamarika izany isika teto Madagasikara. Tao anatin’izany dia nahatsiaro manokana ireo rehetra mararin’ny Homamiadana ny Vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy Rajoelina. Nambarany fa ao anatin’ny fotoan-tsarotra no tena ilàna fanantenana. Ary ao anatin’ny fisedrana no tena ilàna fiadanam-po. Niaiky izy fa rehefa tojo aretina ny olona iray dia miova ny fomba fijery ny fiainana. Mety ho tonga amin’ny fahakiviana, saingy tano ny finiavana hiezaka sy hiarina hatrany, araka ny fanentanana nataony. Sarotra ny mipetraka eo amin’ny toeran’ny olona marary, hoy izy. Sarotra ihany koa ny mikarakara ny marary. Samy mila fankaherezana avokoa: na ilay miatrika ny aretina, na ilay eo anilany.

Koa mankahery anao aho, Eny, ianao izay mandalo fotoan-tsarotra. Fantatro fa tsy mora izany. Tano ao am-ponao ilay afon’ny fanantenana, na dia kely sy bitika aza, na dia manjavona mihitsy aza indraindray. Miray fo aminao aho ary mankahery anao. Tsy irery ianao. Am-pitiavana…”, hoy Mialy R. Rajoelina.

Nangonin’i LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer