Songadim-baovaoSosialy

MIALY RAJOELINA: “Ny manabe zazavavy dia manabe firenena”

Lohahevitra navoitra nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy tamin’ity taona ity ny hoe: “Fanabeazana ny ankizivavy, fizakan-tenan’ny vehivavy, antokony ny fampandrosoana lovain-jafy”. Mbola mametraka ny maha zava-dehibe io fanabeazana ny ankizivavy io ny Vadin’ny Filoha, omaly, tao anatin’ny lahateniny.

Lohahevitra navoitra nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy tamin’ity taona ity ny hoe: “Fanabeazana ny ankizivavy, fizakan-tenan’ny vehivavy, antokony ny fampandrosoana lovain-jafy”. Tsy lohahevitra fotsiny ihany io, hoy ny fanazavan’ny Minisitry ny Mponina, fa efa voaporofo tamin’ny alalan’ireo asa marobe notanterahana ho fampivoarana ny talenta sy ny fahaiza-manaon’ny vehivavy malagasy mba hananany ny fizakan-tena ara-toekarena, ary ny fampivoarana ny vehivavy sy ny tovovavy. Isan’ireo asa efa notanterahana ireo ny fandaniana lalàna sy ny fanomezana tolo-dalàna misahana ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy. Eo ihany koa ny fisian’ireo tetikasa maro izay efa hita soritra amin’ny fiarenan’ny fari-piainana ara-tsosialin’ireo marefo ny vokany.

Araka ny fanazavan’i Mialy Rajoelina, Vadin’ny Filohampirenena, isan’ireo antony nisafidianana io lohahevitra io ihany koa ny lanja hoentin’ny fanabeazana sy ny fahaiza-mihary amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. “Amin’izao taonjato faha-21 izao dia tsy tokony ho fanaka malemy, na ravaky ny lalana na haingon’ny tokantrano intsony ihany ny vehivavy fa manana andraikitra tsy hay toherina eo amin’ny fiarahamonina sy ny firenena”.  “Ny manabe zazavavy dia naman’ny manabe firenena. Ny fanabeazana no lalana azo antoka indrindra fa hitondra fivoarana isam-batan’olona. Zava-dehibe loatra amin’ny vehivavy ny fanabeazana. Koa manao antso avo amin’ny renim-pianakaviana aho: ampianaro ary toroy ny zoany ny zanantsika”.
Ankilany, nazavainy ihany koa fa olana mpahazo ny vehivavy ka anisan’ny mbola tsy hahatrarantsika ny tanjon’ny fampizakan-tena azy ireo izany. Noho izany, nambarany nandritra ny fandraisam-pitenenany omaly fa “Mbola maro ny vehivavy miankin-doha amin’ny lehilahy sy ireo zazavavy tsy misitraka ny zony izay mahatonga ireo zatovovavy miditra amin’ny fanambadiana aloha loatra. Rehefa tonga ao anatin’ny tokantrano anefa dia miaritra fanilinkilihana, ny latsa, ny vono sy ny fanitsakitsahana. Mizaka ny mafy ny vehivavy. Izany no tsy maintsy hovaina sy hiadivantsika . Rehefa manana fikirizana sy milofo dia afaka miatrika ny ho aviny ny vehivavy, ary indrindra manana fahaleovan-tena…. Isika vehivavy no fototry ny fampandrosoana, manomboka eny amin’ny fiaraha-monina ka hatrany amin’ny fiainam-pirenena. Isika no manefy ny taranaka ho olom-banona satria miainga avy eo anivon’ny tokantrano ny fanabeazana”.

Ho fampiharana io fampizakan-tenan’ny vehivavy io ary, lohalaharana amin’ny fanampiana ireo vehivavy manerana ny nosy ny Vadin’ny Filoha ka fampiofanana maro no nisitrahan’izy ireo nandritra izao fandalovany teto an-drenivohitra izao. Tsapany fa manana ny fahaiza-manao hahafahany mizaka tena ny vehivavy saingy ny fihofanana sy fanohanana no tsy ampy mba hahafahany manatanteraka ireo vina sy tetikasa ireo. Noho ireo ezaka rehetra ireo, nizara ny vetsovetsom-pony tamin’ny vahoaka malagasy i Ramatoa Mialy Rajoelina ka namaranany ny lahateniny ny hoe: “Ny faniriako dia hisitraka fanabeazana ny ankizivavy tsy ankanavaka, hizaka tena ny vehivavy fa tsy voahilikilika eo anivon’ny tokantrano ary ho vaha olana eo anivon’ny firenena. Ho tahian’Andriamanitra anie ny vehivavy rehetra!”

Fermer