RadioSamihafaSongadim-baovao

MIALY RAJOELINA – VADIN’NY FILOHA: Manohana ireo zatovovavy amin’ny fandraharahana

Notanterahina nandritra ny telo andro, nanomboka ny Alatsinainy 3 marsa hatramin'ny omaly 6 marsa 2025 tao amin'ny Complexe Spotif Ampisikina - Mahajanga ny fiofanana "BOOTCAMP & HACKATON - Girls Empowerment". Ity hetsika ity no nanokatra amin'ny fomba ofisialy ireo hetsika fankalazana nasionaly ny 8 marsa ao Mahajanga - Renivohitry ny Faritra Boeny.

Vehivavy Tanora, 15 hatramin’ny 25 taona, miisa 2500 avy amin’ny Faritra 24 manerana an’i Madagasikara no nandray anjara tamin’ny hetsika  « BOOTCAMP & HACKATON – Girls Empowerment » tao Mahajanga, izay fiomanana manokana amin’ny Youth Africa Summit izay hatao eto Madagasikara ny 26-30 Novambra 2025. Izy ity dia natao hampiofanana ireo ankizivavy ireo ny sehatry ny fananganana tetikasa na/sy Fikambanana mba ho fampirisihana ireo tanora Vehivavy ireo ho tia sy ho liana amin’ny tontolon’ny fandraharahana (entrepreneuriat) sy ny fahaiza-mamorona (innovation).

Ho an’ny Hackaton dia nisy ny karazana fifaninanana kely hanolorana ilay tetikasan’ilay tanora na ny « pitch ». Ka izay « pitch » 3 voalohany no notolorana amboara. Notoloran’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika tohana ara-bola mitentina 50 000 000 Ar tsirairay avy ihany koa ireo tanora Vehivavy mpandraharaha miisa dimy nandray anjara tamin’ny « pitch ». Ny BOOTCAMP kosa indray dia nifantoka tamin’ny fananganana Orinasa, ny « développement personnel », ny torolalana amin’ny fisafidianana ny asa ho atao (orientation professionnelle), ny fampiofanana Ikigai sns… nisy ihany koa ny « pitch » nataon’izy ireo.

Omaly 6 marsa kosa no nanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny antsoina hoe : « Zatovovavy miavotra sy mivoatra » (fandikana malalaka ny hoe : Girls Empowerment ») sy nanaovana ny fanolorana « certificat » ho an’ireo mpandray anjara rehetra.

Tsara ho fantatra fa notanterahina nandritra ny telo andro, nanomboka ny Alatsinainy 3 marsa hatramin’ny omaly 6 marsa 2025 tao amin’ny Complexe Spotif Ampisikina – Mahajanga ny fiofanana « BOOTCAMP & HACKATON – Girls Empowerment ».  Ity hetsika ity no nanokatra amin’ny fomba ofisialy ireo hetsika fankalazana nasionaly ny 8 marsa ao Mahajanga – Renivohitry ny Faritra Boeny. Amin’ny maha Reny mpiahy ny 8 marsa azy dia tonga nanatrika ny famaranana izany ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy Rajoelina. Ity hetsika ity dia iarahan’ny Ministeran’ny Tanora Sy ny Fanatanjahantena sy ny Programa nasionaly Fihariana miasa.

Nangonin’i LR.

Ireto ireo telo nahazo amboara tamin’ny fifaninanana « pitch » :

– Ratsitoarison rakotondrasoa Nirina Ambinintsoa : Eco coco

– Henintsoa rafenomanjato : Tetikasa iraka

– Rasoarimalala Marie Tanyah : Menaka sakafo avy amin’ny Moringa

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer