PolitikaSongadim-baovaoToekarena
MIAMI TOAMASINA : Vita ny fandraisana ara-teknika ny tapany voalohany amin’ny tetikasa
“Nanaja ny teny nomeny ny Fanjakana, vita ny tapany avaratra amin’ny tetikasa MIAMI”, hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana, Gérard Andriamanohisoa, omaly, tao Toamasina, raha nanao ny fandraisana ara-teknika ny tapany voalohany amin’ny tetikasa MIAMI. Hafainganina ny famitana ny ampahany mbola tsy vita, araka ny fanazavany.
Ireto avy no hita ao amin’ny tapany avaratry ny tetikasa MIAMI izay vita fandraisana teknika omaly 29 desambra 2022: skatepark, terrain de compétition mixte, beach workout, jardin des amoureux, skatepark, kioska ho an’ny mpivarotra, toeram-pivoahana, toerana sy fotodrafitrasa maro natao hipetrapetrahana sy hialana voly. Izany hoe, nanomboka tao amin’ny Pont Hôpital Be hatreny amin’ny Hôtel le Neptune ny asa natao, ka tonga tany an-toerana nanatanteraka izany fandraisana ara-teknika izany ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny Toeram-ponenana (SENVH) Atoa Andriamanohisoa Gérard sy ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny any an-toerana. Nanazava ny SENVH fa efa maka ny endrika farany ny “jardin des amoureux” ankehitriny, ary efa mipetraka ny zava-maniry rehetra. Zava-dehibe ary naka fotoana tamin’ny asa natao, hoy ny teo anivon’ny SENVH, ny fanajana ny fenitra mifanaraka amin’ny maha moron-dranomasina ny toerana ka ny fotodrafitrasa rehetra naorina sy napetraka dia natao haharitra amin’ny fotoana sy hahazaka orana maharitra sy rivodoza.
Famitana ny tapany Atsimo
Nandritra ny fandraisana ara-teknika ny tapany avaratry ny tetikasa omaly ihany koa no nijeren’ny SENVH sy ireo tomponandraikitra any an-toerana, ny hamitana ao anatin’ny fotoana fohy ny tapany Atsimo. Isan’ireo tena hafainganina amin’izany ny fanaovana ilay toerana “Multi usage”, izay azo ampiasaina amin’izay rehetra ilàna azy. Toerana izay azo andraisana ny mpivarotra aloha, satria ho asina jiro sy rano. Eo koa ny fametrahana ireo toeram-pilalaovana isankarazany eny amin’ny tora-pasika. Ho atomboka avy hatrany koa fananganana ireo kioska 111, ka ny 40 amin’ireo no efa mandeha amin’izao. Mila hatao aingana ny fametrahana ireo Kioska ireo satria ireo no tena handraisana ny mpivarotra, hoy ny fanazavana.
“Nanaja ny teny nomeny ny Fanjakana, vita ny tapany avaratra, famaranana vitsivitsy sisa”, hoy Atoa Andriamanohisoa Gérard. Fotoana izay nanambarany fa efa tonga ao amin’ny seranantsambon’ny toamasina ao avokoa ny kaontenera misy an’ireo “lampadaire” miavaka, izay tsy dia mbola misy firy aty amintsika, ary tsy atahorana ho very. Ireo “lampadaire” ireo no jiro handravaka ny ao anatin’ny MIAMI.
Ankoatra ny maha fotodrafitrasa fanatsarana endrika ny tanàna azy dia hitondra fandrosoana sy hampiakatra ny toekaren’ny tananan’i Toamasina ny tetikasa MIAMI indrindra amin’ny sehatry ny fizahan-tany anatiny, hoy ny teo anivon’ny SENVH. Ny tanjona dia hampitombo hatramin’ny 1.000.000 isa ireo mpizaha tany eto Toamasina isan-taona, araka ny fanazavana hatrany.



