Non classé
Miandry toloram-potsiny !
Miandry toloram-potsiny, mila voatsiary… Tahaka an’izany ny toetsain’ny mpiray tanindrazana amintsika ankehitriny manoloana ny zava-misy. Manao ny ainy tsy ho zavatra ny mpitondra amin’ny fitadiavam-bahaolana amin’ny ady atao amin’ny Covid-19 sy ny fiatrehana ny krizy aterak’izany. Nilaza mazava ny Filoha fa maheno tsara ny fitarainan’ny olona manolona izany, ary mandray ny andraikitra sy ny vahaolana mifanandrify amin’izany. Efa iaraha-mahalala ireo fepetra vaovao mifanaraka amin’ny hamehana ara-pahasalamana 15 andro sy ny fihibohana. Afaka miasa ny rehetra, ny mpivarotra fa ny taxi-be no tsy misy noho ny fitateram-bahoaka anisan’ny nanaparitaka haingana ny aretina. Natao ny fizarana fanampiana tamin’ny sosialim-bahoaka, ny vatsy tsinjo ary ny tosika fameno. Nosakafana ny karazana toeram-pandraisana mararin’ny Covid-19 ankoatra ny hopitaly, ny fampitaovana sy ny fanomezana tambin-karama ny mpiasan’ny fahasalamana sns. .
Manoloana izany vahaolana rehetra efa natolotry ny fitondrana ankoatra izay tsy voatanisa, mbola maro ihany ny mimenomenona tsy mety afa-po, ary mahita lazaina hatrany. Rehefa vakiana ny tian’izy ireo ambara, dia toy ny miandry toloram-potsiny any an-trano izany ny sasany. Mety hoe ny fitondrana no andrasany hanatitra ny vary masaka eo am-pandriana, ka ry zareo hanao ariary zato am-pandriana fotsiny eo. Ny fitondrana no andrasana hibaby isam-baravarana ka hanatitra ny mpiasa isaky ny toeram-piasany?
Hoy ireo mpanao vali-borainginga, ka anjaran’ny fanjakana izany, izahay sahirana, tsy mahavita azy ny fitondrana… Tsy tokony hadino fa anatin’ny ady iraisan’izao tontolo izao ny ady amin’ny Covid-19 sy ny krizy aterak’izany, fa samy manana ny fomba entiny miatrika izany ny firenena tsirairay avy ka tsy azo heverina fa ny an’ny firenena izao no filamatra na tsia. Ny azo tsapain-tanana sy hita, manao izay ho afany ny fitondrana amin’ny ady atao amin’izy ity, ary hita fa mihaino ny fitarainan’ny vahoaka manoloana izany. .
Azon’ny fitondrana atao ny manao didikofehy lehibe ka nametraka fitsipika hentitra amin’ny tsy azo atao sy ny tokony hatao, kanefa tsy nanao izany izy ireo fa mbola nitsinjo ny Malagasy hatrany amin’ny fahafahana manao zavatra, toy ny mivarotra, manao asa tanana, miasa amin’ny orinasa sns. Ny olona rahateo sarotra nofehezina tamin’ny fampanarahana ny fepetra isan-karazany, ka anisan’ny nampanahirana ny fifehezana ny fiparitahan’ny Covid-19. Manoloana izao fepetra vaovao, azo lazaina fa efa mivaha amin’ny ampahany ny betsaka ny fihibohana eto Analamanga, ary izay no notadiavan’ny olona sy nampimenomenona ny sasany. Izany hoe, efa ny olona tsirairay sisa no tompon’andraikitra amin’ny tenany amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny aretina. Nanamafy fotsiny ny fanjakana amin’ireo fepetra sasany amin’ny tsy fisokafan’ny lalana, ny fitaterana sns, indrindra ny fametahana sy ny fitondrana arotava.
Amin’ity farany, tsikaritra omaly fa maromaro ny olona tsy manao arotava manerana ny renivohitra, indrindra fa ireo eny an-tsena sy ireo mpanao asa tanana. Raha misy aza eny aminy, eo amin’ny saoka no mipetraka. Raha sanatria miverina indray ny fiparitahan’ny aretina, dia ny fanjakana no omena tsiny avy eo ? Tompon’andraikitra amin’ny tenany ny rehetra amin’izao. Tompon’andraikitra amin’ny teny teneniny ihany koa ireo mpimenomenona rehetra amin’izay fotoana izay. Araka ilay tenuy averimberin’ny mpitondra fa ady iraisain’ny rehetra izy ity. Ka izay ady iraisana rehetra amin’izany, na handeha an-tongotra tsy misy taxi-be aza, efa ady iraisana izany… fa tsy miandry toloram-potsiny eo !
