KolontsainaSongadim-baovao

MIHAMY MADA FASHION IV: Omem-boninahitra ireo mpamorona manan-talenta ao Toamasina

Toamasina no mampiantrano ny hetsika nasionaly Mihamy Mada Fashion (MMF) amin’ity taona 2023 ity. Hetsika izay miditra amin’ny andiany fahefatra ankehitriny. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly tao an-tampon-tanànan’i Toamasina ny MMF, ary tsy hifarana raha tsy rahampitso 15 Avril 2023. Tsara ho fantatra fa hetsika hanasongadinana ireo mpamorona sy mpisehatra amin’ny haihaingo ny Mihamy Mada Fashion. Efa nahitam-pahombiazana hatrany ny hetsika nandritra ireo andiany nifandimby natao teto Antananarivo. A min’izao andiany fahefatra atao any Toamasina izao, noho izany, dia mbola nasiana ny varotra fampirantiana izay hita eny amin’ny esplanade. Misy koa ireo filatroana (défilés) tanterahina mandritra ny 03 andro. Toy ireo andiany nifandimby dia hisy koa ny fizarana traikefa momba ny tontolon’ny haihaingo sy ny famoronana iarahana amin’ireo matihanina mandritra ny Masterclass eny amin’ny MASÔVA 501.

“Tsy misaraka amin’ny vita malagasy antsena”, io no lohahevitra tamin’ity andiany ity. “Voninahitra lehibe ho an’i tanànan’i Toamasina ny mampiantrano ny hetsika ara-kolontsaina ho fanomezana lanja ny zon’ny mpamorana amin’ny tontolon’ny hai-haingo sy filatroana : Mihamy Mada Fashion andiany faha efatra. Ny hetsika toy izao dia varavarana iray lehibe misokatra ho an’ireo manan-talenta sy mpamorona”, hoy ny Ben’ny tanànan’i Toamasina Rakotonirina Nantenaina. Mbola notohizany fa “sahy mijoro isika eto Toamasina fa manana mpamorona manana talenta, raha toa ka 38 ireo mpandray anjara amin’ny fampiratiana manerana ny nosy dia ny 26 amin’ireo dia avy eto amintsika avokoa”.

Tsara ho fantatra fa any an-toerana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, sy ny ekipa avy amin’ny Minisitera foibe mitarika sy mandrindra ny lanonana rehetra any. Nanotrona ny lanonana omaly kosa ny Governoran’ny Faritra Atsinanana Rafidison Richard Théodore, sy ny Ben’ny Tanànan’i Toamasina Rakotonirina Nantenaina, ary ireo olo-manakaja maro.

Fermer