Songadim-baovaoToekarena
MILIN’NY JIRAMA SIMBA ANY ATSIMO ANDREFANA : Voamarina fa mitapoka solika fandrehitra ny solika nampiasaina
Matetika no ahitana fahasimbana ny milina mpamokatra herinaratra amin’ny faritra maro any Atsimo Andrefana, toy ny any Betioky, Ankazoabo sy Morombe. Fitarainan’ireo tompon’andraikitra any an-toerana ny hoe tsy maharitra volana maro akory dia efa simba ny milina vaovao mpihary herinaratra ampiasaina. Tsikaritra fa avy amin’ny kalitaon’ny solika ampiasaina no mahatonga izany, hoy ny fampahafantarana avy amin’ny seraseran’ny orinasa Jirama. Nanapa-kevitra hanatanteraka fitsirihana tampoka, araka izany, ireo tompon’andraikitra mpikirakira ny famatsiana solika avy eto Antananarivo sy any Toliara. Nanaitra ny tokony hanatanterahana io fanaraha-maso io ny tranga niseho tamin’ny 04 jolay lasa teo. Taraiky ny fahatongavan’ny solika tao amin’ny Jirama Betania Toliara, rehefa niainga tao amin’ny tobin-tsolika any an-toerana tokony tamin’ny 5 ora hariva. Tsy hita izay nalehan’io fiarabe io ary tsy azo antso intsony ny mpamily. Tamin’ny 07 ora sy sasany hariva vao nigadona tao amin’ny Jirama ny solika notaterina.
Fepetra noraisina taorian’izany tranga izany ny fampandrenesana ny mpitandro filaminana ka nogiazana avy hatrany ilay fiarabe. Natao ny fanamarinana sy ny fitiliana ny kalitaon’ny solika tao anatin’io fiarabe io, tamin’ny 05 jolay. Hita tamin’izany fa mitapoka singa hafa ny “compartiment” iray an’ilay fiarabe. Natao ny famotorana tamin’ireo olona voarohirohy, izay nahitana ny tompon’ny fiara, ny mpamily sy ny mpanampiny. Tamin’izany no naneken’ireo mpamily mpanampy fa nisy ny fanapohana solitany fandrehitra tao amin’ilay fiarabe mpitatitra solika mahafeno 3 000 litatra, rehefa nanesorana “gasoil” 1 000 litatra.
Tsy nijanona teo ny fanadihadiana fa mbola nandefasana santionana solika avy amin’io fiarabe io hatrany ny laboratoara taty Antananarivo. Tanjona ny hanamarinana ny fitiliana voalohany natao tany Toliara. “Ny valin’ireo fitiliana tamin’ny laboratoara ireo no nanamafy fa mitapoka singa hafa toy ny solitany fandrehitra ny solika nentin’io fiarabe io”, hoy hatrany ny fampahafantatra. Mitohy hatrany, noho izany, ny fanadihadiana mifandraika amin’izao tranga izao ary efa eo ampelatanan’ny manam-pahefana sy ny mpitandro filaminana ny raharaha. Fantatra mantsy fa tafatsoaka ilay mpamily izay anisany tompon’antoka voalohany amin’izao fangalarana solika izao.
S.S



